Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Mahari-po Jehovah sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka. Nomery 14:18

Fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika. Romana 5:8, 9

 

Fahasoavana be dia be

Nandritra ny tantarany ny olombelona dia nihantsy an’Andriamanitra tamina asa feno herisetra, feno fahavetavetana, ary tamina fitenenan-dratsy Azy mihitsy aza. Ankehitriny dia atao ampahibemaso izany fihetsika maniratsira an’Andriamanitra izany. Ary toa tsy azo ialana intsony aza izany fihetsika izany, amin’ny famokarana ireny lalao vidéo sy horonantsary ireny.

Hentitra anefa ny fampitandreman’Andriamanitra : “Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona, izay misakana ny fahamarinana amin’ny fanaovan-dratsy” (Romana 1:18). Hilatsaka amin’ity tontolo maniratsira Azy ity ny fitsaran’Andriamanitra. Ankehitriny dia mbola mahari-po Izy, ary tsy mampihatra ny fitsarana… Mitaona ny olona tsirairay hibebaka ny fandeferan’Andriamanitra sy ny fahamoram-panahiny (Romana 2:4).

Ny apostoly Paoly dia ohatra iray amin’izay zavatra hain’ny fahasoavan’Andriamanitra atao. Mpaniratsira izy, ary nanenjika ireo rehetra nino an’i Jesosy Kristy. “Ary nampijaly azy matetika teo amin’ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy ; ary satria very saina tamin’ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin’ny tanàna any ivelany koa aza” (Asan’ny Apostoly 26:11). Izy dia niray hevitra tamin’ireo izay nitora-bato an’i Stefana, ilay vavolombelona mahatoky nanambara an’i Jesosy Kristy (Asan’ny Apostoly 8:1). Nefa be dia be ny fahasoavan’Andriamanitra, ka afaka niteny i Paoly hoe : “Nahazo famindrampo aho”. “Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany” (1 Timoty 1:13, 15). Mandraka ankehitriny dia mbola atolotra ho an’ny rehetra ny fahasoavana, ka samy afaka mahazo ny famelan-keloka maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ny tsirairay.