Talata 27 Aogositra 2019

Ry Mpihaino vavaka ô, Ianao no hohatonin’ny nofo rehetra. Salamo 65:2

Izany no aoka hivavahan’ny tsara fanahy rehetra aminao, amin’izay andro hahitana Anao. Salamo 32:6

Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko ; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho. Salamo 5:3

 

Vavaka isan-karazany (1)

Amin’ny vavaka, ny mpino dia miteny amin’Andriamanitra, Ilay Andriamanitra Mpihaino vavaka, Tsitoha, ary tia ireo izay mitoky aminy. Hatramin’izay izany ny vavaka dia loharanon-kery lehibe ho an’ny mpino tamin’ny vanimpotoana rehetra.

Ny Baiboly dia mitaona ny mpino mba hivavaka :

Amin’ny zavatra rehetra (Filipiana 4:6) : Tsy misy ny atao hoe kely loatra na tsy misy dikany, amin’Andriamanitra ; ho antsika dia antony hivavahana avokoa ny antsipirian’ny fiainantsika andavanandro.

Eny amin’ny toerana rehetra (1 Timoty 2:8) : Manerana ny toerana rehetra Andriamanitra, mahita antsika, mandre antsika, koa dia afaka miresaka aminy isika, na aiza na aiza misy antsika.

Amin’ny fotoana rehetra (Salamo 5:3 ; 141:2) : Na maraina na hariva, na andro na alina, dia tsy matory na oviana na oviana Andriamanitra ; mihaino mandrakariva Izy, ka afaka miresaka aminy amin’ny ora rehetra isika.

Amin’ny vanimpotoana rehetra (Salamo 62:8 ; Efesiana 6:18) : Manomboka amin’ny fahazazana ka hatramin’ny fahanterana, dia mifandimbindimby ireo “vanimpotoana” eo amin’ny fiainana : fotoana mahasambatra na sarotra, fifaliana na fizahan-toetra, fotoana maha manirery na fiainam-pianakaviana… Fa Andriamanitra kosa dia tsy miova, ary loharanon-kery tsy tapaka ny vavaka.

Amin’ny fivavahana rehetra (Efesiana 6:18) : Mety hanana endrika maro isan-karazany ny vavaka : fangatahana tsotra, fitalahoana mafy, antso vonjy, famborahana ny ao am-po, hiakam-pahoriana, fanontaniana, fisaorana, fiderana sy fitsaohana…

Ao amin’ny Baiboly dia ahitana mpino maro mivavaka. Hojerentsika mandritra ny herinandro vitsivitsy ny sasantsasany amin’ireny vavaka ireny, izay maneho ny maha maro karazana io loharanon-kery napetraka eo am-pelatanantsika io.