Alarobia 28 Aogositra 2019

Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’olona, afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany ? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:11

Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao : dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah. Jeremia 9:24

 

Minia tsy mahalala ve ?

Jean d’Ormesson, nanoratra ilay boky hoe “C’est une chose étrange à la fin que le monde” (Zavatra hafahafa, raha zohina, izao tontolo izao), dia nanambara ny tenany ho tsy afaka mahafantatra. Tsy mahalala izy. Nefa mba te hahalala. Na fara fahakeliny, te hahalala bebe kokoa. « Inona no fantatsika momba an’Andriamanitra ? Tsy dia misy inona, raha ny marina », hoy izy. Mivoatra eo amin’ny sehatra rehetra ny fahalalan’ny olona, kanefa raha tsy mahalala an’Andriamanitra izy, dia tsy manana ilay hany fahalalana tena manan-danja. Fahalalana tsy hay takarina ve izy io ? Eny, raha heverintsika ho azo amin’ny fahaizantsika manokana. Tsy dia afaka manampy antsika ny faharanitan-tsaina sy ny rijan-kevitra. Nefa mba hahasambatra ny olona, dia te haneho ny tenany amin’io voariny io Andriamanitra.

Amin’ny alalan’ny zavatra nataony : “Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Hoy ny Baiboly amintsika : “Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony” (Romana 1:20), ka noho izany dia tsy manana fialan-tsiny ny olona raha tsy mino fa Andriamanitra no nahary ny zavatra rehetra.

Amin’ny alalan’izay nambarany : Ny Teniny izay voasoratra, ny Baiboly, dia takatr’izay mandray azy ho Tenin’Andriamanitra. Io Teniny io no vavolombelon’ny maha Izy Azy, ny sitrapony, ny tanjony, dia ny hamonjy antsika sy ny hampianatra antsika ireo fiheviny.

Ary farany dia tonga tetỳ anivon’ny olombelona Izy : “Andriamanitra … naseho teo amin’ny nofo” (1 Timoty 3:16). Jesosy dia maneho feno ny toetran’Andriamanitra rehetra, ary lalam-pamonjena ho an’ny olona lavitra an’Andriamanitra. Koa aoka isika tsy hijanona ho minia tsy mahalala, ka handà ny fanambarana mazava tsara momba ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny fitiavany.