Alakamisy 29 Aogositra 2019

Navelany (navelan’i Jesosy Kristy) ny fahadisoantsika rehetra. Kolosiana 2:13

Fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy. 2 Timoty 1:12

 

Fantatro izay halehako

« Tany Madagasikara aho no teraka. Nandeha any am-piangonana izahay mianakavy isaky ny alahady. Nony tovolahy aho dia nametra-panontaniana tamin’ny tenako hoe : Nahoana aho no teraka ? Ho aiza aho aorianan’ny fahafatesana ? Saingy tsy nanana valin’ireny fanontaniana ireny aho. Niha lehibe aho, ary nanomboka nisotro, nifoka, niaraka tamin’ny tovovavy. Ho ahy, ny atao hoe ratsy dia ny mamono olona. Noho izany dia nandresy lahatra ny tenako aho hoe tsy misy na inona na inona azo anomezan-tsiny ahy, na dia tsy mandry ihany aza ny saiko indraindray : ohatra, rehefa mandainga aho.

16 taona aho no tonga tany Frantsa. Mbola nanohy tsy tapaka nankany am-piangonana aho, nefa niha nikorontana kokoa hatrany ny fiainako. Indray andro dia nisy tanora kristiana vitsivitsy, tonga nipetraka nandritra ny iray volana tao amin’ny akany nonenako. Niray fo izy rehetra ireo, falifaly, ary toa nanana zavatra tsy mba nananako. Niresaka tamiko momba ny ota izy ireo, sy momba an’i Jesosy, Izay nanolotra ny tenany ho an’ny olombelona, ary te hamonjy ahy. Tsy azoko avokoa ny zavatra nolazainy, nefa tsikelikely teny dia tonga saina aho fa “maloto” ary tsy mendrika, eo anatrehan’io Andriamanitra inoako io saingy tsy nahaliana ahy mihitsy. Nangataka famelan-keloka taminy aho, noho ny ratsy rehetra nataoko : lainga, fahavetavetana, fifosana, halatra… ary koa nangataka an’i Jesosy hitantana ny fiainako. Ary dia namaly ahy Izy.

Telopolo taona atỳ aoriana dia afaka mijoro ho vavolombelona aho fa nampiany mba tsy hiverena intsony amin’ireo fironan-dratsiko. Novaliany koa ireo fanontaniana mikasika ny fisiako. Nanjary nisy dikany ny fiainako. Ary raha tsy maintsy handalo fahafatesana aho, dia fantatro izay halehako : ho eo amin’ny fanatrehan’i Jesosy aho. »

Mamy Andrianandrasana