Zoma 30 Aogositra 2019

Ampahalalao ahy izay làlana tokony halehako ... Ampianaro hanao ny sitraponao aho ; fa Ianao no Andriamanitro. Salamo 143:8, 10

Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Isaia 48:17

 

Ampianaro aho, ry Tompo !

Matetika mihitsy Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, no manome toky fa hampianatra sy hitari-dalana ny olony. Dia toy ny hoe misy resaka ifanaovan’ny Tompo sy ireo izay mitady Azy sady miaina eo akaikiny : andaniny, tsapan’ny mpino fa mila tarihina sy ampianarina izy, ka lazainy amin’ny vavaka izany ; ary ankilany, ny Tompo dia mamaly amin’ireo fampanantenana ao amin’ny Teniny sy amin’ireo fikarakarany isanandro. Ary farany, misaotra an’Andriamanitra ny mpino, sady midera Azy noho ny fomba nitantanany azy.

Sambatra izay mahalala an’Andriamanitra sy mahafantatra fa afaka mitoky aminy mba hotarihiny ho amin’ny lalana tsara ! Sambatra izay maniry hampianarin’ny Tompo sy miteny aminy hoe : “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho ; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao” (Salamo 86:11).

 

Isanandro isanandro, ry Tompo, — Ampianaro aho ;

Hazony ity foko malemy — Ho eo akaikinao tsara.

Aoka ho amina lalana mahitsy — No handehanako am-pinoana,

Mibanjina Anao, — Ry Mpanavotra ahy !

 

Tompo ô, ao anaty fijaliana, — Ampianaro aho ;

Eny an-dranomasina misafotofoto, — Tariho aho.

Eny, ao anaty alina maizina, — Manara-maso ahy am-pitiavana Ianao,

Mitarika ahy ny hamoram-ponao : — Ka handeha tsy amin-tahotra aho.

 

Amin’ny alalan’ny Fanahinao, ry Tompo, — Ampianaro aho

Mba hiaina ho voninahitrao, — Na aiza na aiza misy ahy.

Mandra-pahatapitry ny diako, — Noho ny fahefanao Andriamanitra,

Aoka aho hitoetra eo an-tànanao, — Ry Mpamonjy ahy !