Asabotsy 31 Aogositra 2019

Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra ; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. 1 Tesaloniana 5:16-18

... mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo, amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra. Kolosiana 1:9, 10

 

Lafiny roa momba ny sitrapon’Andriamanitra

Hitantsika, rehefa mamaky Baiboly, fa amina lafin-javatra sasantsasany dia natao ho an’ny rehetra, sady mazava tsara, ny sitrapon’Andriamanitra ; fa amina lafin-javatra hafa kosa, ny sitrapony dia miantefa kokoa amin’olona iray manokana ary mifamatotra kokoa amin’ny zava-miseho eo amin’ny fiainana. Sitrapon’Andriamanitra ho an’ny rehetra, ohatra, ny hoe : “Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra ; fa izany no sitrapon’Andriamanitra”, mbamin’ny hoe: “Fadio ny fanao ratsy rehetra” (1 Tesaloniana 5:16-18, 22).

Ilay lafiny iray hafa momba ny sitrapon’Andriamanitra dia mahakasika kokoa ny olona manokana, satria mihevitra fatratra antsika tsirairay Andriamanitra. Koa mba hahatakarana io sitrapony io, dia tokony haniry lalina ao am-po ny hanao izay mahafaly azy.

Mba hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny trangan-javatra iray, dia tsy maintsy mianatra mihaino ny feon’ny Tompo isika. Ohatra, rehefa mamaky andalan-tSoratra ao amin’ny Baiboly isika, dia mila mamela ny Teny hiasa ao anatin’ny fontsika, ao amin’ny fieritreretantsika, eo amin’ny fiainantsika, ary koa mamela io Teny io hanazava ireo fikasana sy faniriantsika. Aoka hivavaka amin’ny Tompo isika, rehefa mamaky izany, mba ho mora mandray izay lazainy, ka hihetsika araka izany. Ny iray, hiaiky ny fahadisoany ; ny iray hafa kosa, handray fanapahan-kevitra ; ny iray fahatelo indray, hisaotra an’Andriamanitra noho izay omeny azy…

Zava-dehibe ny vavaka, ao amin’izany fitadiavana ny sitrapon’Andriamanitra izany. Mahazo hery sy fampianarana isika, rehefa miresaka aminy momba ny fiainantsika, momba ireo zava-manahiran-tsaina antsika, momba ireo fahadisoantsika. Dia hotarihiny isika, amin’ireo safidy sy fanapahan-kevitra hataontsika, amin’ny fotoana ilàna izany.