Alahady 1 Septambra 2019

Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho. Salamo 16:1

Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3

 

Apetraho amin’Andriamanitra ny fiainanao

 

Apetraho amin’Andriamanitra ny fiainanao,

Ireo tahotrao sy ireo fanirianao,

Satria ny fahasoavany tsy misy fetra

Dia miahy anao avy any an-danitra any.

 

Rehefa mitantana ny kintana sy ny rivotra

Eny ana habakabaka eny Izy,

Tsy heverinao ve fa manoritra

Ny lalana ho an’ireo zanany ?

 

Aoka ho Izy no fanantenanao,

Na amin’ny andro tsara na amin’ny andro ratsy ;

Aoka ho Izy no hany vonjy ho anao,

Ao anatin’ny fahoriana.

 

Lazao Azy ny alahelonao rehetra,

Ireo tahotrao, ireo fijalianao ;

Izy no nandrava ny fatoranao,

Izy koa no hamafa ny ranomasonao.

 

Izy no fitiavana faratampony,

Izy no lalana marina.

Manatòna Azy, satria tia anao Izy.

Manatòna ! Manolo-tanana anao Izy.