Alatsinainy 2 Septambra 2019

Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolompo, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana. Marka 7:21-22

Ny fahotako nambarako taminao... Ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako. Salamo 32:5

 

Teny mahamenatra

Ny ota, teny mahamenatra izany ! Tsy dia ampiasaina loatra intsony izy io amin’izao fotoana izao, fa aleo miresaka fahadisoana, na tsy fahombiazana, na koa fahalemen’olombelona. Mpahazo ny olombelona ny fahadisoana, hoy ny fiteny. Fa ny Baiboly kosa, tenin’Andriamanitra mandrakizay, dia miresaka ota mihitsy, ary manana dikany mazava io teny io. Voafonony avokoa izay rehetra mety ho fandikana ny lalànan’Andriamanitra, na tsy fankatoavana, na fisainana fitsiriritana. Raha mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa isika, dia mety hihevi-tena ho mahitsy sy marina. Fa raha eo ambanin’ny fahazavan’Andriamanitra kosa isika, dia hahita fa mpanota, toy ny lamba fotsy hita ho volondavenona, miohatra amin’ny orampanala. Fanambarana miverimberina ao amin’ny Baiboly izany, ary fehezina amin’ny hoe : “Tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10).

Hiteny angamba isika hoe : “Eny e, fa izaho kosa anie manana anton-javatra manalefaka ny fahadisoako e”, na koa hoe : “Ny olona rehetra aza manao, koa nahoana aho no tsy mba hanao ? Dia tena zava-doza tokoa ve izany ? Efa an-taonany maro no nisy fiovana. Tsy lazaina intsony hoe ratsy ny zavatra iray, fa somary nohalefahina ny fiteny, tsy dia hentitra loatra intsony. Tompon’andraikitra ihany angamba aho, saingy tsy meloka kosa e…, nanova ny fandraisako io zavatra io ny fiarahamonina, ny fanabeazana azoko, na ny trangan-javatra eo amin’ny fiainana”.

Fa Andriamanitra kosa mampiharihary, na dia ny antony miafina nanosika ahy hanao zavatra aza, mbamin’ireo fikasako tsiambaratelo (Hebreo 4:12, 13), mandra-pahatonga ahy hieritreritra, toy ny apostoly Petera, hoe : “Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho” (Lioka 5:8), na toy ny mpaminany Isaia hoe : “Lozako ! maty aho ! fa lehilahy maloto molotra” (Isaia 6:5). Ary izany no fiandohan’ny fanafahana sy ny famelan-keloka. Satria amin’izay Andriamanitra dia maneho ny tenany ho Ilay Andriamanitra fitiavana, Izay mamonjy ny mpanota.