Talata 3 Septambra 2019

Jehovah ô... Ianao ... mijery fahoriana sy alahelo... Ianao no iononan’ny mahantra. Salamo 10:12, 14

Jehovah ... nijery ny fivavaky ny mahantra... ka tsy nanevateva ny fivavany. Salamo 102:16, 17

Mihomehy ahy ... ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’Andriamanitra kosa aho. Joba 16:20

 

Vavaka isan-karazany (2)

Hana, Hezekia : vavaka sy ranomaso

— Hana dia vadin’i Elkana, mpanompon’i Jehovah (1 Samoela 1:1-18). Tsy nanan-janaka izy, ka nalahelo mafy. Henony ny esoeso ataon’ny manodidina azy. Ary na dia tia azy fatratra aza ny vadiny, dia tsy nahatsapa mihitsy ny fijaliany. Nitomany matetika i Hana, satria tsy nisy nahatakatra izay nanjo azy. Indray andro, niaraka tamin’ny vadiny nankany an-tempoly i Hana, ary nalahelo fatratra ka tsy nihinan-kanina. Gaga noho izany ny vadiny, ary nitavozavoza ihany niezaka nampionona azy. Navesatra dia navesatra ny fon’i Hana. Koa niditra tao an-tempoly izy, ary nanomboka nivavaka. Notantarainy tamin’Andriamanitra ny alahelony rehetra, ary nitomany fatratra izy. Nony nivoaka ny tempoly izy, dia niova ny endriny. Fantany fa nohenoina izy, nisy nahatakatra ny nanjo azy, ary novaliana ny vavaka nataony. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia niteraka an’i Samoela izy…

— Narary i Hezekia mpanjaka, ary nilazana fa ho faty (2 Mpanjaka 20:1-7). Koa nitodika tany amin’ny rindrina izy, ary tahaka an’i Hana, dia nivavaka sy nitomany fatratra. Tsy ela dia tonga ny valim-bavaka. Hoy Andriamanitra taminy : “Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao ; indro, hahasitrana anao Aho” (2 Mpanjaka 20:5).

— Maro ny mpino niaina trangan-javatra toa an’i Hana sy Hezekia : vavaka, ranomaso be ; ary Andriamanitra mampionona sy mamaly vavaka.

Ry namana mpino, tsy mba ataon’Andriamanitra tsinontsinona ny ranomasonao na ny alahelonao. Raha mavesatra ny fonao, na tsy misy olona mahatakatra ny manjo anao, dia aza matahotra ny hitomany eo anatrehany, eo anatrehan’Ilay Andriamanitry ny fampiononana rehetra (2 Korintiana 1:3, 4).