Alarobia 4 Septambra 2019

Izao no lazain’i Jehovah : Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao. Isaia 49:8

(Hoy Jesosy :) Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana ; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Lioka 18:16

 

Ilay tsingerintaona nahaterahana

Tany Rosia no nitranga ny tantara, tamin’ny taona 1970 tany ho any. Feno dimy taona androany i Liuba kely. Any an-tranomaizina ny rainy, satria mpino kristiana. Efa andro vitsivitsy izao no niasa saina ny reniny, hoe ahoana no mba hahafahany manome fifaliana kely ho an’ireo zanany, amin’io andro io ; dia mba ho maivamaivana kokoa ny tsy maha eo ilay ray. Tsy dia nanana zavatra inona hatao sakafo izy, fa ovy miaraka amin’ny tavin-kena fotsiny ihany. Soa fa mba nahazo taratasy avy tany amin’ny rainy izy ireo.

Talohan’ny sakafo dia nisaotra an’Andriamanitra izy ireo. Nampian’i Liuba ny vavaka nataony hoe : “Jesosy Tompo ô, arovy ny dadanay, mba ho afaka hody atỳ an-trano ary ho salama tsara. Tahio koa i neny. Fony mbola niaraka taminay i dada, dia nitondra sôkôlà ho anay hatrany, isaky ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahanay. Miangavy re aho, mba omeo sôkôlà kely izahay androany e ! Amen.” Nihomehy an’i Liuba ireo zokiny, saingy nasain-dreniny nipetraka tsara.

Tampoka teo dia nisy nandondòna tao am-baravarana. Iza koa àry no olona ho tonga amin’izao ora izao ? Hay iray tamin’ireo namany. Sady nisalasala kely izy no nilaza tamin’izy ireo fa nahatsiaro ho voatery hividy sôkôlà iray fonosana sy hanatitra izany ho azy ireo, kanefa tsy fantany hoe nahoana.

“Tsara izany ! hoy i Liuba, nihaino ny vavaka nataoko Andriamanitra. Misaotra ry Tompo Jesosy !” Nitolagaga ilay namany.

Roa herinandro taorianan’izany dia novakian’ilay ray tamin’ireo mpiara-migadra taminy ny taratasin’ny vadiny, nitantara ny tsingerintaonan’i Liuba. Nanome antony hanantenana ho azy ireo izany hafatra mampahery izany, naneho tamin’izy ireo ny herin’Andriamanitra, Izay miahy ireo izay matoky Azy.