Alakamisy 5 Septambra 2019

Jehovah mamaha ny mpifatotra. Salamo 146:7

Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika. Galatiana 5:1

 

Ny tena fahafahana

“Tsy voavidim-bola ny fahafahana !” Fiteny averimberina matetika izany, mampiseho hoe toy inona moa ny fanirian’ny olombelona ho afaka amin’izay rehetra mety ho faneriterena ! Sarany toy inona koa no eken’ny fitondram-panjakana sasany haloa, mba hanafahana gadra na takalon’aina ! Nefa na ireny olona nafahana toy izany ireny aza, dia toy ny olona rehetra ihany : mbola voafatotry ny toetrany ara-boajanahary. Raha tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra izy ireny, dia mbola andevon’ny devoly hatrany, andevon’i Satana nankatoavin’ilay olona voalohany.

Ny fahafahana tian’Andriamanitra hampahafantarina antsika dia ny tena fanafahana anaty, fanafahana feno, ivon’ny Filazantsara sy ny finoana kristiana mihitsy. Tsy misy tokoa mantsy olona afaka miala amin’ny fanandevozan’ny ota, noho ny herin’ny tenany manokana, na manefa ny saran’ny fanafahana azy : “Tsy azo atao mandrakizay” izany (Salamo 49:8). Fa Jesosy kosa no nanatanteraka izany, ho antsika. Tamin’ny sarany avo indrindra, dia ny ain’ny Zanak’Andriamanitra, no nividianana ny fahafahantsika ! “Izay rehetra manota dia andevon’ny ota… Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo” (Jaona 8:34, 36). Izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia miova fiaina sy miova tompo. Jesosy no Mpanafaka azy, manafaka azy amin’izay rehetra mety ho karazana “fahafahana tsy voafehy”, izay fahotana eo imason’Andriamanitra. Firifiry moa ireo olona voageja-na fiankinan-doha samihafa no nositranin’i Jesosy ! Asaina ny kristiana tsirairay hiaina “ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” (Romana 8:21). Mivelatra tanteraka izany fahafahana izany, rehefa mikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra ny mpino sady faly manatanteraka izany (Kolosiana 1:9-13).