Zoma 6 Septambra 2019

Hoy Jehovah tamin’i Mosesy : ... Indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ny harambato ... Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy, hosotroin’ny olona. Eksodosy 17:5, 6

Ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany ; fa nisotro tamin’ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. 1 Korintiana 10:4

 

Rano avy amin’ny vatolampy (1)

Rehefa nanomboka namakivaky ny taniefitra ny vahoaka hebreo, dia nahita ny fikarakaran’Ilay Andriamaniny mahery. Nahaketraka azy ireo ny hetaheta. Nomen’izy ireo tsiny i Mosesy hoe nanafaka azy tamin’ny fanandevozana tany Egypta mba “hahafatin-ketaheta” azy sy ny zanany ary ny bibiny (Eksodosy 17:3). Ory fatratra i Mosesy, nitalaho tamin’Andriamaniny, ary Jehovah namaly tam-pitiavana sy famindrampo. Nasainy nokapohin’i Mosesy tamin’ny tehiny ny vatolampy. Dia nisy rano nikoriana, ka afaka nisotro ny vahoaka manontolo, na dia marobe aza, sady nampisotro ny biby fiompiny koa.

Ny Testamenta Vaovao, fizarana faharoa ao amin’ny Baiboly, dia mampianatra antsika fa kisarisarin’i Jesosy Kristy io vatolampy io : “nokapohina” Izy, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, nizaka tamin’izany ny fitsarana sahaza antsika. Noho ny sorona nataony dia nanome ny aina ho antsika Izy. Misy andalan-tSoratra iray hafa, ao amin’ny Testamenta Taloha, manambara hoe : “Isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika. Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika… Ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy” (Isaia 53:4, 5, 8).

Nokapohina izany Jesosy Kristy, nisolo toerana antsika, noho ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana, satria tsy maintsy notanterahina ny fepetra takian’ny fahamarinany. Raha manaiky isika fa ny fahotantsika no nahafaty an’i Kristy, dia afaka mandray ihany koa ny fahasoavany, fahasoavana manome ny fiainana mandrakizay, toy ny rano velona. Asain’i Jesosy isika hoe : “Aoka ho avy izay mangetaheta ; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina” (Apokalypsy 22:17).