Asabotsy 7 Septambra 2019

Esory aminareo ny fo lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra ; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:31-32

 

Ny hatezeran’i Mosesy (2)

Nomery 20:8-11

Mbola tany an-taniefitra ihany, nimonomonona tamin’i Mosesy indray ny olona, satria nangetaheta. Mahari-po Andriamanitra, ka te hanome rano hosotroin’ny vahoaka. Noho izany, dia hoy Izy tamin’i Mosesy : “Mitenena amin’ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy”. Teto i Mosesy dia tokony hiteny amin’ny vatolampy. Tsy ilaina ny nikapoka azy fanindroany. Jesosy Kristy mantsy dia “nijaly indray mandeha noho ny ota” (1 Petera 3:18), tsy ilaina averina indroa ny fahafatesany. Inona anefa no nataon’i Mosesy ? Sorena tamin’ny vahoaka izy, satria nampangaina tsy amin’antony, niaritra fanomezan-tsiny. Koa tezitra izy, ka nampiaka-peo hoe : “Mihainoa, ry mpiodina : Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo ? Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny ; dia niboiboika be dia be ny rano”. Tsy nomeny an’Andriamanitra ny voninahitra, nihambo i Mosesy fa izy sy Arona no nampivoaka ny rano. Tezitra izy no nikapoka ny vatolampy, ary indroa.

Isika koa ve tsy mba mety tsy hahafehy tena toy izany ? Manafintohina antsika ny fihetsiky ny zanatsika iray, na indraindray mpiara-miasa, na mpiara-monina. Dia miakatra ny feo. Ary misy fihetsika anenenana. Hosazin’Andriamanitra mangingina i Mosesy ; fa eo anatrehan’ny vahoaka kosa, tsy hanome rano ve Izy ? Tsia, tsy misy fetra ny fahasoavan’Andriamantra sy ny fahari-pony, ka nampiboiboika rano ilay vatolampy, na dia tsy tokony ho nokapohina aza.

Raha nahatonga antsika hanao fiteny na fihetsika tsy voahevitra ny hatezerana, dia aoka isika hiaiky izany amin’Andriamanitra sy amin’izay olona voakasik’izany. Ny fahasoavany dia hanarina ny fahalementsika. Tsy mba mety ritra ny fitiavany. Hiboiboika ny rano, hamelombelona antsika.