Alahady 8 Septambra 2019

Hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. 2 Timoty 3:15-16

 

Avy amin’ny mpanoratra

Camille, zazavavy kely 8 taona, dia nanan-kevitra hanolotra Baiboly ho an-drainy noho ny tsingerintaona nahaterahany. Saingy tena sadaikatra izy momba ny teny fanolorana hosoratany ao. Inona re no mba azony soratana eo amin’ny pejy voalohany e ? Ny hoe : “Avy amin’i Camille” ve ? sa “Avy amin’ny zanakao” ? sa “Ho fahatsiarovana olona iray tia anao” ? … Nisalasala izy, ka lasa nankany amin’ny biraon-drainy ary nijery boky vitsivitsy teo amin’ny fitoeram-boky. Izao no hitany tao amin’ny iray tamin’ireo boky : “Avy amin’ny mpanoratra”. Dia izany koa no nosoratany !

Rehefa nanokatra ilay fanomezana ny rainy, dia nahafantatra ilay sora-tanana ka nieritreritra hoe : Iza marina moa no nanoratra ny Baiboly ? Andriamanitra ? Izany tokoa ve ? Koa dia nampiasa ny tanan-janako ve Izy mba hanome izany manokana ho ahy, sy hitaona ahy hamaky izany ? Dia namaky izy, mandra-pahafantany fa ny Soratra Masina manontolo dia avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona, “fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy” (2 Petera 1:21).

Isika ve mba mamaky Baiboly ? Ary toy ny famaky bokin-tantara nangonina na asasoratra ve no amakiantsika azy ? Mamaky azy ve isika, satria tsy azo atao hoe tena kristiana raha tsy efa namaky azy ? Sa kosa mamaky azy amim-bavaka, mba hahafantatra Ilay Mpanoratra azy, satria ny Baiboly no maneho amintsika ny fihevitr’Andriamanitra ?

Andriamanitra dia nampahafantatra ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy, naneho ny tenany amin’ny maha Ray Azy. “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana … no nanambara Azy” (Jaona 1:18).