Alatsinainy 9 Septambra 2019

Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona. Hebreo 3:12

Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô ; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. Salamo 51:10

 

Joasy

2 Tantara 23-24

Manoloana ny hasiahan’i Atalia, izay nitady handrombaka ny fahefana, dia saika maty mihitsy i Joasy, zanaky ny mpanjaka, raha tsy teo ny nenitoany, namonjy azy. Nafenina nandritra ny 6 taona izy, ary nanomboka nanjaka teo amin’ny faha 7 taonany, nampian’ny dadatoany. Izy io no nanjary mpiahy an’i Joasy, ka fony mbola teo ambany fiahiany i Joasy, dia nanjaka tam-piadanana : nesorina ireo sampy ary natomboka ny fanarenana ny tranon’Andriamanitra. Tafita hatrany amin’ny vahoaka ny zotom-pon’ny mpanjaka, hany izy ireo ka nanolotra ny volany sy ny asany, handraisan’izy ireo anjara amin’ny fanamafisana io trano io, mba hahafahana indray manao fanompoam-pivavahana amin’Ilay tena Andriamanitra.

Saingy fotoana kely monja taorianan’ny nahafatesan’ny dadatoany, dia niova tanteraka ny fihetsik’i Joasy : nohenoiny ireo lohandohan’ny vahoaka, izay nitaona azy hiverina amin’ny fanompoan-tsampy. Naniraka mpaminany ho eo aminy Andriamanitra, mba hamerina azy amin’ny lala-marina. Nefa dia niziriziry tamin’ny fihetsiny i Joasy. Ary novonoiny mihitsy aza i Zakaria, zanak’io dadatoa niahy azy io, satria nanome tsiny azy izay nania.

Tsy fahaiza-mankasitraka re izany ! Niharihary ny tena toetran’ny “finoan” ’i Joasy, rehefa maty ilay mpiahy azy : finoana ankosotra fotsiny ihany. Nampiseho ny tena endriny i Joasy, dia olona mahavanon-doza hitondra tena toy ny mpamono olona, manoloana ireo izay nirahin’Andriamanitra hampitandrina azy.

Finoana ho antsika manokana no ilaintsika, fifandraisana velona amin’Andriamanitra, fa tsy kolontsaina kristiana. Na dia niankina tamin’ny finoan’ny ray aman-dreny aza isika fony kely, dia tsy maintsy mino ho an’ny tenantsika manokana, indray andro any.