Talata 10 Septambra 2019

Daniela ... nankao an-tranony ... ; ary ny varavarankelin’ny tranony ambony nanandrify an’i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isanandro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan’Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin’ny taloha izany. Daniela 6:10

 

Vavaka isan-karazany (3)

Daniela : ny vavaka, fahazarana isanandro

Natao sesitany niaraka tamin’ireo namany jiosy tao amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona i Daniela, ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra teo amin’ny fitondrantenany manontolo, nihataka tamin’ireo firavoravoana tao an-dapa. Naharitra tamin’ny fivavahana izy, niaraka tamin’ireo namany. Navelan’Andriamanitra ho voatsikaritr’i Dariosy mpanjaka izy. Koa dia notolorany andraikitra lehibe tao an-dapa izy. Nialona an’i Daniela ireo mpiara-miasa taminy, ka nitady izay hamelezana azy. Nahafantatra ny fahazaran’i Daniela izy ireo, ka nandresy lahatra an’i Dariosy mba handrara manerana ny fanjakany, mandritra ny iray volana, ny vavaka hafa ankoatra ny vavaka atao amin’ny mpanjaka, raha tsy izany dia hatsipy ao an-davaky ny liona.

Inona no hataon’i Daniela ? Hitady lalana handosirana ve ? Tsia, ny andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany dia mampiseho azy hoe tony, matoky an’Andriamanitra. Ho azy, ny vavaka dia tsy adidy ara-pivavahana, tsy fitanisana vavaka tsianjery… Tsy izany mihitsy ; fa ny vavaka dia fiainany, loharanon-kery ho azy. Raha tsy misy vavaka, dia tsy vitany ny misahana ny andraikiny.

Koa dia nivavaka hatrany i Daniela, toy ny fanaony, ary tsy niafina. Fantany mantsy Ilay Andriamanitra ivavahany isanandro, ka napetrany teo am-pelatanany ny fiainany. Tratran’ireo fahavalony izy, ka natsipy tao an-davaky ny liona. Niahy azy anefa Ilay Andriamaniny, ka tsy nataon’ireo liona na inona na inona izy. Dia nasain’ny mpanjaka navoaka avy tao an-davaka izy : niaiky ny fahalehibeazan’ny Andriamanitr’i Daniela ny mpanjaka, ary dia menatra ireo fahavalon’i Daniela. Nanome voninahitra ny Andriamaniny ny tsy fivadihan’i Daniela.

Ry kristiana, mba ao anatin’ny fiainanao andavanandro, isanandro, ve ny vavaka ? ary laharam-pahamehana aminao ? Tena ilaina ve ny vavaka, ho anao ? Mitady fomba maro i Satana, mba tsy hananantsika izany fotoana sarobidy izany. Toa an’i Daniela, dia aoka isika hivavaka, na inona na inona mety ho sakana : tsy hahafaty antoka antsika mihitsy izany !