Alarobia 11 Septambra 2019

(Hoy Jesosy :) Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. Jaona 14:19

 

Nametra-panontaniana marobe tamin’ny tenako aho (1)

« Tany Madras (any India) aho no teraka. Nandritra ny naha zatovo ahy dia voateritery mafy aho, satria tsy maintsy nanao izay hahatafita ahy tamin’ny fianarana. Tao amin’ny kolontsaina nisy ahy mantsy, raha tsy anisan’ireo voalohany ianao, dia atao hoe tsy nahomby ; nefa tsy afaka nieritreritra fiafarana toy izany aho. Ambonin’izany, matetika dia matetika no nanasazy ahy ny raiko. Ary niaina tao anaty fangirifiriana miafina aho : nametra-panontaniana marobe tamin’ny tenako aho, momba ny dikan’ny fiainana, kanefa tsy nahazo valiny !

Rehefa 17 taona aho dia nanapa-kevitra hamono tena. Raha lasa mantsy aho, dia samy ho voatsimbina tsy hiharana tsy fahombiazana hafa indray, na izaho na ny fianakaviako. Indray andro, tany am-pianarana, dia nalaiko ny fanalahidin’ny laboratoara, ary nahita poizina tao aho. Nony tafaverina tany an-trano aho dia nataoko tao anaty rano eran’ny vera ilay izy, ary nosotroiko… dia lavo tamin’ny tany aho. Soa ihany fa nisy mpiasan’ny ray aman-dreniko, nahita ahy ka nitondra ahy haingana dia haingana tany amin’ny hopitaly ; raha tsy tao an-trano izy tamin’io andro io, dia efa maty aho, tahaka izay. Afak’ireo mpitsabo ny poizina rehetra nosotroiko.

Nitsidika ahy ny namako iray, nitondra Testamenta Vaovao, ary nitaona ahy hamaky ny toko faha 14 ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona. Nitsatoka tao am-poko ny tenin’i Jesosy hoe : “Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo”, ka tonga ho azy tao amiko ny vavaka hoe : “Jesosy ô, tsy dia fantatro loatra hoe Iza Ianao, saingy milaza amiko kosa fa manome ny tena fiainana”. Tsy azoko an-tsaina ny atao hoe ota, ary tsy afaka nahatakatra izany aho, tao amin’ny kolontsaina niainanay. Fa ny zavatra voaraiko kosa dia hoe : natolotr’i Jesosy ho ahy ny ainy, mba ho fiainako. »

(hitohy)