Alakamisy 12 Septambra 2019

Maty hamonjy ny olona rehetra Izy (Kristy), mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 2 Korintiana 5:15

 

Velona ho an’i Jesosy, Ilay namonjy ahy (2)

« Tamin’io fotoana io aho dia nanapa-kevitra hametraka eo am-pelatanan’i Jesosy ny fiainako sy ireo fanontaniako. Tena nahatalanjona ny fiovana. Nanomboka tamin’io andro io, satria nampian’i Jesosy aho, dia Izy, Ilay namonjy ahy, no nanjary ivon’ireo faniriako, fanantenako, ary ezaka nataoko. Tsikelikely teny dia nanjary ambinambiny, lavitra be any aorianan’ny fahalalana Ilay Mpamonjy ahy, ny firehetam-poko hianatra, ny fanekena ny lanjan’ny fianarana, ny fitadiavana hahatakatra ny fisainan’ireo mpandinika fanta-daza.

Mba nomen’Andriamanitra tombon-dahiny aho hanambara Azy manerana ny kontinanta rehetra. Tiako ny mponin’izao tany izao, samy manana ireo toetra mampiavaka azy avy. Nandritra ireo taona nifandimby dia niha resy lahatra kokoa hatrany aho fa Jesosy dia tena Ilay ambarany mihitsy fa Izy. Tonga Izy mba hanome antsika fiainana feno, mba hisarika antsika ho amin’ny fahatsarana sy fahafahan’ny fahamarinana, sady hanafaka antsika amin’ny ota sy ny herin’i Satana. Tonga Izy mba hanome antsika ny fifaliany.

Ampirisihiko mafy ny tanora sy ireo zokinjokiny mba tsy hisalasala hamantatra bebe kokoa ny Baiboly. Nandritra ny diako rehetra aho dia tsy nahita mihitsy izay tena nahafa-po ny faniriana lalin’ny saiko sy ny foko ary ny fanahiko, toy ny ataon’i Jesosy. Tsy vitan’ny hoe lalana sy fahamarinana ary fiainana fotsiny ihany Izy ; fa Izy mihitsy no lalako sy fahamarinako ary fiainako. Ary afaka ho izany koa Izy, ho an’izay rehetra mitoky aminy, na iza na iza. Tsarovy ny nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ireo Ateniana hoe : “Tsy mba lavitra antsika rehetra [antsika tsirairay] Izy” (Asan’ny Apostoly 17:27).

Ary ianao, inona no ho fanapahan-kevitrao ? »

Ravi Zacharias