Zoma 13 Septambra 2019

Ary hoy Jesosy taminy : Tsy izao tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin’Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo ? Marka 12:24

Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Jaona 6:63

 

Andininy “Telo-eninambinifolo” efatra, andininy fototra

Mba hahamora ny fitadidiana ireo andalan-tSoratra manan-danja manokana ao amin’ny Baiboly, dia ndao isika handinika ireto andinin-tSoratra Masina efatra ireto, izay samy ao amin’ny toko faha 3, andininy faha 16 :

Jaona 3:16 : “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. Ny ivon’ny fanambaran’ny Filazantsara dia ny fitiavan’Andriamanitra ny olona rehetra ; manaporofo izany fitiavany izany ny fanomezany ny Zanany Lahitokana, dia i Kristy, sy ny fanolorany ny fiainana mandrakizay.

1 Timoty 3:16 : “Andriamanitra dia … naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy ; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ny voninahitra”. Ny ivon’ny finoana kristiana dia izao zava-miafina lehibe naharihary ankehitriny izao, hoe : Andriamanitra dia tonga tao anatina olombelona iray, tao anatin’i Kristy ; nanatanteraka ny fanavotana i Kristy ary noraisina ao amin’ny voninahitra.

2 Timoty 3:16 : “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. Ny ivon’ny finoana ihany koa, dia ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra. Satria “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra” io Teny io, dia mahery ka miasa ao anatin’izay mino azy (1 Tesaloniana 2:13).

1 Jaona 3:16 : “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesosy)no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy”. Ny ivon’ny fiainan’ny kristiana dia ny fahafantarany ny fitiavan’i Kristy ; ka ho setrin’izany dia misy koa, ary tokony hisy, ny fifankatiavan’ny samy mpino : antsoin’i Kristy hoe rahalahiny ny mpino, ary izy ireo no mandrafitra ny ankohonan’Andriamanitra.