Asabotsy 14 Septambra 2019

Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ny fiangonana. Ary izy namono an’i Jakoba, rahalahin’i Jaona, tamin’ny sabatra. Asan’ny Apostoly 12:1, 2

Eo an-tànanao ny androko. Salamo 31:15

 

Nahoana no dia aloha be toy izany ?

Tamin’ireo mpianatr’i Jesosy roa ambin’ny folo, dia telo lahy no tena akaiky Azy indrindra : Petera, Jakoba, ary Jaona rahalahin’i Jakoba. Teo amoron’ny farihin’i Galilia ireo naman’i Jesosy ireo no niara-nantsoiny hanaraka Azy, ary izy ireo ihany no niaraka taminy nandritra ny toejavatra telo nanamarika ny fiainany :

— Teo amin’ny zanakavavin’i Jairo, izay natsangan’i Jesosy tamin’ny maty : “Tsy nisy navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba, mbamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy” (Lioka 8:51).

— Tany an-tendrombohitra, izay nampisehoan’i Jesosy ny voninahiny : “Dia nitondra an’i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy, ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka” (Lioka 9:28).

— Tao an-tsahan’i Getsemane, izay nandraisan’i Jesosy avy tamin’ny Rainy ny kapoaky ny fahoriana, talohan’ny hanomboana Azy eo amin’ny hazofijaliana : “Ary nitondra an’i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra” (Marka 14:33).

Ireo apostoly ireo dia nifamatotra akaiky tamin’ny Mpampianatra azy, ary nifamatotra tamin’izy samy izy, niara-vavolombelona zava-miavaka marobe teo amin’ny fiainan’i Jesosy. Kanefa ny iray tamin’izy ireo, i Jakoba, dia novonoina teo amin’ny fiandohan’ny fanompoany (Asan’ny Apostoly 12:2). Nahoana no dia aloha be toy izany ? Nahoana no izy ? Fanontaniana toy izany no tonga ao an-tsaintsika, rehefa misy olona mandao antsika mbola tanora loatra na tena eo am-perinasa, kanefa toa mbola nanan-javatra maro hozaraina amin’ny manodidina azy. Matetika isika no tsy hahita valiny amin’ny fanontaniantsika, nefa aoka hatoky Ilay mihazona ny fiainantsika eny an-tanany. Navelany hitranga ny fahafatesan’i Jakoba aloha be, nefa niara-dalana tamin’i Petera sy Jaona kosa Izy, nandritra ny fotoana maharitra nanompoan’izy ireo teo amin’ny Fiangonan’ny Tompo.