Alahady 15 Septambra 2019

Mifanompoa amin’ny fitiavana. Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao : “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. Galatiana 5:13, 14

Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika, amin’izay hahasoa sy hampandroso azy. Romana 15:2

 

Tia ny namana

 

Misy fo ao anaty fahoriana

Eo akaikintsika eo, isanandro.

Feno loatra ny kapoakany mangidy,

Tsy misy fitiavana ao amin’ny fiainany.

Misy ranomaso miafina,

Toloko mavesatra mameno ireo alina,

Fiainana simba,

Fahasambarana rava…

 

Afaka mitondra ny fahazavana ianao,

Tahaka ny tanamasoandro,

Afaka mampiseho sombin’ny lanitra

Amin’ny alalana vavaka.

Atolory ny tsikinao mahafinaritra

Ho an’ny malahelo eny an-dalana ;

Ary na dia tsy miteny aminy aza ianao,

Dia atolory azy ny tananao !

 

Mandehana, mamafaza hafaliana kely:

Satria, matetika, kely ihany dia efa ampy

Hanazavana ny lalan’

Ny fo iray maratra sy mangovitra.

Tiava toy ny itiavan’Andriamanitra antsika,

Ento ny fiadanana, ny fanampiana ;

Koa tiavo mandrakariva ny namanao,

Tahaka ny tenanao ihany.

 

C. Roth