Alatsinainy 16 Septambra 2019

Andriamanitra ... ankehitriny ... mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny. Asan’ny Apostoly 17:30, 31

 

Tsy mahazo mandiso hoe ?

« Manao ahoana tompoko ! Averiko aminao ity fitaovana novidiko tamin’ny herinandro ity. Toa tsy mifanaraka amin’ilay toromarika nomeko anao izy ity. » Mba ho fialan-tsiny, dia tsy nanao afa-tsy ny nanainga soroka aho, ary niteny hoe : « Mety ho diso avokoa ny olona rehetra ! » Raha momba ireo zava-madinika azo tsapain-tanana tokoa mantsy, dia azo atao tsara ny miteny toy izany. Misy anefa safidy sy tranga eo amin’ny fiainana, izay tsy azontsika anaovana fahadisoana. Tsy hanadio an’iza na iza ny hoe “Mety ho diso avokoa ny olona rehetra”, rehefa hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ny olona tsirairay, mba hampamoahiny momba ny fiainany tetỳ an-tany, ny safidiny, ary ny zavatra nataony. Mety hanao fahadisoana ny olona, raha tsy mahafantatra. Saingy tokony hahafantatra isika, satria maro isan-karazany ny fanambaran’Andriamanitra ilazany amintsika ny maha isika antsika eo amin’ny lafiny ara-toe-panahy, sy ny toetran’ny fitondrantenantsika:

— Ny fieritreretantsika : tsy efa imbetsaka ve isika no nahare ny feony ?

— Ny Didy Folo nomen’Andriamanitra Izy tenany mihitsy, efa taonarivo maro lasa izay.

— Ny Filazantsara nambaran’ny Kristy, avy eo notorina manerana izao tontolo izao.

— Ny Baiboly manontolo. Nanoratra ho antsika Andriamanitra. Tsy hilazany fotsiny izay tokony mba ho hitany eo amintsika voariny sy ny tsy fahombiazantsika tanteraka, fa koa ny fomba hahatonga antsika ho afaka, amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesosy Kristy. Tsy misy olona afaka hilaza fa tsy nahafantatra. Mandraka ankehitriny Andriamanitra dia mbola “mandidy” : maika ny hafatra, kanefa feno fitiavana, mba tsy hisy olona tsy handray ny fahasoavany. Te hanome antsika maimaimpoana ny fahamarinan’i Kristy Izy, mba tsy hotsaraina isika.