Talata 17 Septambra 2019

(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo ; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. Matio 10:19

Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. Lioka 21:15

 

Vavaka isan-karazany (4)

Nehemia : vavaka “tselatra”

Anisan’ireo Jiosy sesitany tany Babylona i Nehemia ; mpanolotra ny kapoakan’ny mpanjaka Artaksersesy izy (Nehemia 2:1-8). Vao avy nandre vaovao ratsy tamin’ny mpiray firenena aminy nody tany an-tanindrazana izy. Nitebiteby fatratra izy, ka nitalaho tamin’Andriamanitra, tamin-dranomaso sy tam-panetren-tena (Nehemia 1:4-11), mba homen’ny mpanjaka fahazoan-dalana ho any, hijery ny zava-misy. Teo am-panaovana ny asany nandroso divay ho an’ny mpanjaka i Nehemia, no nanontany azy tampoka ny mpanjaka, hoe nahoana izy no toa miasa saina fatratra. Alohan’ny hamaliany ny mpanjaka, dia nivavaka izy : “Dia nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho aloha, dia vao niteny tamin’ny mpanjaka…” Tsy hoe hivavaka elabe any an’efitranony tsy akory. Teo anatrehany ny mpanjaka, niandry ny valinteniny ; ary goavana ny mety ho azo na hafoy. Ka nanao vavaka “tselatra” tamin’Andriamanitra i Nehemia : nivavaka nandritra ny ampahan-tsegondra vitsivitsy ; dia namaly ny fanontanian’ny mpanjaka. Nomen’Andriamanitra azy ny teny holazainy, ary nataon’Andriamanitra azony avy amin’ny mpanjaka ny fahazoan-dalana niriny.

Ry kristiana, afaka manao vavaka “tselatra” isika, isanandro. Naharay antso an-tariby tsy nampoizina ve isika ? Misy olona mametra-panontaniana mahasadaikatra antsika ve ? Tokony hanome hevitra haingana ve isika, na tokony handray fanapahan-kevitra lehibe hisy akony mavesatra ? Ao anaty toejavatra sarotra mitaky hetsika haingana ve isika ? Eo ny Andriamanitsika, tsy miandry resaka lavabe. Antsoy Izy, ampahan-tsegondra vitsy ihany dia ampy. Dia mirosoa fotsiny, ary miantehera aminy hitarihany lalana antsika, amin’ny teny sy ny fihetsika hataontsika.