Alarobia 18 Septambra 2019

Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ny anaranao... na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao. Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa : tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Isaia 45:3-5

 

Ilay zaza very (1)

Tany Chine, tamin’ny faran’ny taona 1989, dia sahirana mafy i Xi, lehilahy mivarotra Baiboly sy Filazantsara, nandeha tao anaty ranomandry sy rivotra mamanala, nitety tanàna tany amin’ireo vohitry ny Gansu. Nony tonga tao amin’ny tanàna farany halehany izy, dia nahatsapa avy hatrany fa misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny tao. Teny ivelany avokoa ny olona, nitangorona mitsitokotoko.

— Manao ahoana daholo ianareo. Mitondra vaovao mahafaly ho anareo aho.

— Mangina ianao, tsy misy afa-tsy vaovao ratsy hatrany no mitranga eto aminay : androany izao, nisy zazakely iray nangalarina.

Tsy vitsy ny hala-jaza any Chine ; misy andian-jiolahy mangalatra zaza menavava any ambanivohitra, ary mivarotra azy ireny any ambonivohitra, amina mpivady manankarena tsy niteraka.

— Mba afaka mahita ireo ray aman-dreniny ve aho ? hoy i Xi.

— Mandehana any ianao e, tsy mila anao izahay !

— Miangavy re aho, mba ento any amin’izy ireo, fa mba mety afaka hanampy azy.

Dia nentina nankany an-tranobongon’ireo ray aman-dreny ory izy.

— Fantatro ny alahelonareo. Izaho mahafantatra olona iray afaka manampy anareo, dia Andriamanitra. Te hivavaka aminy ho anareo aho. Dia nivavaka izy hoe : Andriamanitra ô, Ianao Izay mahalala ny zavatra rehetra, mahay manao ny zavatra rehetra, mangataka aminao izahay, mba avereno anie ilay zaza very. Amen.

— Mangina ianao, ary mandehana mandeha, hoy ny rain’ilay zaza, nitrerona. Efa nivavaka tamin’ireo andriamanitray izahay, nefa tsy nisy valiny. Izay Andriamanitrao ve ho afaka manao mihoatra noho izy ireo ? Dia natosika tamin-kerisetra izy, ary noroahina tsy ho ao an-tanàna.