Alakamisy 19 Septambra 2019

Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako ; nihaino ny feoko ... Izy. Salamo 18:6

Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao ; nomenao fahasahiana aho, ka nisy hery ny fanahiko. Salamo 138:3

 

Ilay zaza very (2)

Nandeha kelikely ilay mpivarotra Baiboly, dia nandohalika tao anaty ranomandry, avy eo. Tsitapitapitr’izay izy dia nahare zazakely nitomany. Notarihin’ilay tomany izy, ka nanatona lavaka fantsakana tranainy efa tsy niasa intsony. Nangoraka ny fony, nisintona zazakely iray efa mangan’ny hatsiaka, nifono tao anaty bodofotsy. Ilay zaza very io ! Zazavavy kely. Nariana tao izy, satria zazalahy ihany no fividin’ny mpivady any ambonivohitra. Dia nihazakazaka nankany an-tanàna izy, sady nanafana ilay zaza teo an-tratrany.

Talanjona sady faly indrindra ireo mponina tao an-tanàna, nitondra ilay lehilahy ho any an-tranon’ireo ray aman-dreny, izay sady nahazo aina no talanjona.

— Iza moa Ilay Andriamanitra nivavahanao ka namaly ny vavakao ? hoy ilay raim-pianakaviana.

Afaka namaly i Xi, teo anoloan’olona telopolo teo ho eo, hoe :

— Ny Andriamanitra nivavahako dia tonga tetỳ an-tany, naka endrika zazakely, 2000 taona lasa teo ho eo izay. Nidina tetỳ amintsika Ilay Andriamanitra lehibe nahary ny lanitra sy ny tany, Ilay Andriamanitra tsy misy fetra sy Tsitoha, mba hanafaka antsika amin’ny herin’ny devoly, izay nitarika antsika hanaraka azy any amin’ny fijaliana mandrakizay. Andriamanitra mantsy te hahasambatra antsika mandrakizay eo akaikiny. Tsy fiafaran’ny fiainana tsy akory ny fahafatesana ; ary tsy misy izany fiverenana ho velona indray izany, aorianan’ny fahafatesana, ao anaty vatana hafa. Tia antsika fatratra Andriamanitra ka nomeny ny Zanany Lahitokana mba hanana fiainana mandrakizay izay mino Azy.

Tamin’io alina io, dia nitodika tamin’i Jesosy ireo ray aman-dreny.