Zoma 20 Septambra 2019

Ary hoy Jesosy tamin’ny mpianany : ... raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe : Mibebaka aho, dia mamelà ny helony. Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo : Ampitomboy ny finoanay. Lioka 17:1-5

 

Faharetana sy finoana

Jesosy dia mampiseho amintsika ny tokony hananantsika faharetana, sy fitiavana ireo olona manodidina antsika. Ny ohatra omeny dia lehilahy iray nanao fahadisoana imbetsaka tamin’ny namany kanefa niverina hatrany, nangata-pamelana taminy sy niaiky ny fahadisoany. Ndao haka ny toeran’ny andaniny sy ny ankilany :

— Raha isika no diso, hiverina hangataka famelan-keloka hatramin’ny impito ve isika, ao anatin’ny andro iray ? Tsy matetika ve isika no mamela ho amin’ny ampitso ireo olana azo ibabohana sy alamina androtrio ihany ?

— Raha isika no naratra, mba hanana faharetana ve isika hihaino ilay nanao fahadisoana tamintsika ? Ary ho afaka hanadino imbetsaka toy izany, izay nataony tamintsika, ve ?

Nametraka fanontaniana mitovitovy amin’izany ireo naman’i Jesosy, ary tsy namita-tena momba ny zavatra mety ho vitany. Mba hahatratrarany ny ohatra nomen’i Jesosy, dia nangataka finoana lehibe kokoa izy ireo, mba hiainany ao anaty fitiavana sy faharetana. Amin’ny finoana no hahafahana miaina toejavatra toy izany : milaza ny Tompo Jesosy fa ny finoana dia afaka manatanteraka izay tsy azo heverina akory. Izao no ohatra nomeny ireo mpianany : “Raha manana finoana na dia ohatra ny voantsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin’io voaroihazo io hoe : Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy”.

Andriamanitra dia mamaly amin-kamorampo mandrakariva ny finoana, kanefa tsy araka ny fetrantsika ny valiny omeny, fa mihoatra lavitra noho izany ! Niaina izany matetika i Hudson Taylor (1832-1905), misionera tany Chine. Hoy aza izy, momba ireo andinin-tSoratra Masina ireo : « Tsy finoana lehibe no ilaintsika, fa finoana Ilay Andriamanitra lehibe ».