Asabotsy 21 Septambra 2019

Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po ; azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy. Ohabolana 16:5

Samia misikina fanetren-tena ianareo ... ; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. 1 Petera 5:5

 

Avonavona

Azo antoka fa ny avonavona no fironana mateza indrindra ao anatin’ny olombelona rehetra, hatrizay hatrizay. Naka fanahy an’i Adama sy Eva i Satana hoe : “Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo” (Genesisy 3:5). Nihaino azy izy ireo, ka naniratsira an’Andriamanitra sy nampiseho ny avonavon’ny fon’olombelona. Ao amintsika rehetra io fironana te hisandratra io. Ka mifehy izao fiarahamonintsika izao ny fikatsahana harena, fahefana ary laza. Ary ahariharin’ny tantaran’ny zanak’olombelona fa ny sitrapon’ny olona dia ny hanjakazaka sy ny hanilika an’Andriamanitra.

Fihetsika hafa tanteraka no nasehon’i Jesosy Kristy, tamin’ny ohatra nomeny, rehefa tonga teto amin’izao tontolo izao. Izy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nanetry teny ka nanjary olona. Tany an-tranom-biby Izy no teraka, avy amina fianakaviana tsotsotra, ary niaina tao anaty fahantrana, tsy nisy nahatakatra izay nanjo azy, ary nailika. Ireo nofidiny ho mpianatra dia olona tsy dia nohajaina loatra ihany koa, ary matetika natao tsinontsinona. Ny voninahitr’i Jesosy Tompontsika dia ny nanaraka lalana mifanohitra amin’ny lalan’ny olombelona. Nanetry tena mandrakariva Izy, hatramin’ny fahafatesana, ary fahafatesana maha afa-baraka mihitsy aza, teo amin’ny hazofijaliana (Filipiana 2:8).

Ry kristiana, toy ny olona tsirairay ihany, dia matetika isika no mihevitra sy manao zavatra an’avona. Nefa isika afaka hanahaka kely ihany an’i Kristy, Ilay Olona lavorary, Ilay tena faka tahaka amin’ny fanetren-tenany, raha feno Azy sy mivelona aminy ny fo sy saintsika. Izy mihitsy no niteny hoe: “Mianara amiko ; fa malemy fanahy sy tsy miavona am-po Aho” (Matio 11:29).