Alahady 22 Septambra 2019

Jesosy Tompontsika ... natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika. Romana 4:24, 25

Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1 (Fanitsiana fahenina 2011).

 

Marina eo anatrehan’Andriamanitra

Na dia efa noraran’ny amperora Charles Quint aza, dia notanterahina tany Lausanne (Suisse) ihany, tamin’ny taona 1536, ilay adihevitra momba ny lohahevitra fototry ny finoana kristiana hoe : Ahoana no mahatonga ny olona mpanota ho marina eo anatrehan’Andriamanitra ? Tokony hanao asa maha mendrika ve izy, na manaiky hijaly mba hanonerany ireo fahotany ? Ampy ve ny mino ny Tompo Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra nanolotra ny tenany indray mandeha tsy miverina, mba hamonjy ny mpanota ? Tokony haverimberina na hofenoina ve ny sorona nataony ?

Namelabelatra mazava tsara izany lohahevitra izany i Guillaume Farel, evanjelista nitety tany. Nifototra tamin’izay voalazan’ny Baiboly izy, ary nijoro ho vavolombelon’ny herin’ny Filazantsara raisina tsotra fotsiny am-pinoana. Avy eo dia nitsangana i Jean Tandy, izay notendrena mba hanohitra an’i Farel.

— « Ry rahalahy, hoy izy, tsy te hanota aho amin’ny fanoherana ny fahamarinan’Andriamanitra. Miaiky eto anatrehanareo rehetra aho fa nohajambaina sy nofitahina nandritra ny fotoana ela… Reko ny fahamarinana. Hitako izao fa tokony hifikitra amin’Ilay Jesosy irery ihany, hijanona eo amin’ny Teniny, tsy hanana filoha, mpitarika sy Mpamonjy afa-tsy Ilay nahatonga antsika hankasitrahin’ny Ray, tamin’ny sorona nataony. Mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra aho, noho izay rehetra nataoko sy nolazaiko ka tsy nanome voninahitra Azy. Mangataka famelana aminareo koa aho, satria nampianatra diso anareo. »

Marina Andriamanitra rehefa manambara hoe marina ireo olona mibebaka sy mino fa Kristy no efa nitondra ny fahotan’izy ireo teo amin’ny hazofijaliana. Satria mino izany izy ireo, dia “nohamarinina tamin’ny rany”, izany hoe tamin’ny nahafatesany (Romana 5:9). Ary satria Andriamanitra nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty, dia mahazo antoka ny mpino fa lavorary ny asa nataon’i Kristy. Inona indray no mbola azontsika hanampy izany ?