Alatsinainy 23 Septambra 2019

Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny ; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. Isaia 55:7

 

Ratsy fanahy hoe ?

Tranokely fiantsoana an-tariby, nopotehina ; fiarakodia nodorana, fitaratra tranombarotra novakiana, fihetsika feno herisetra, atao tsy ahoan-tsy ahoana : asa-na zatovo maditra izany, hoy angamba ianao, ka tokony hofaizina izy ireny ! Marina izany, kanefa izany haratsiana izany dia ao anaty fo lalin’ny zanak’olombelona. Matetika ny fanabeazana dia ahafahana mamaritra lalana ho an’izany herisetra izany sy manakana azy ireny. Nefa impiry moa no hita mihanjahanja tanteraka ny tena ao anatin’ny fontsika, rehefa misy toejava-mifanojo ! Na nahazo fanabeazana na tsia, na mivavaka na tsia, dia efa voamariky ny ota ny fon’ny zanak’olombelona. Tsy azo ihodivirana ny fahitan’Andriamanitra ny voariny lavitra Azy : “Tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:22, 23).

Tsy efa nasehon’ny olombelona ve ny porofo tsy azo lavina mampiharihary ny faharatsiam-panahiny, dia ny nanomboany an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana ? Nanambara ny manampahefana, tamin’izany fotoana izany, hoe : “Efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho (Pilato), nefa tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity, amin’izay iampanganareo Azy. Tsia, na dia Heroda koa aza… ary indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy” (Lioka 23:14, 15). Na izany aza anefa, Izy, Ilay marina, dia nohelohina sy novonoina ho faty (Jakoba 5:6). Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nanaiky hohomboana teo amin’ny hazofijaliana ; tamin’izany sorona izany no nanatanterahany ny asa ahazoan’ny ratsy fanahy famelan-keloka. Koa taomin’Andriamanitra ny olona rehetra mba hibebaka.

Izay rehetra mitory izany hafatra izany dia tsy misalasala miteny, toy ny apostoly Paoly, hoe : “Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota… Izao no namindrana fo tamiko” (1 Timoty 1:15, 16).