Talata 24 Septambra 2019

Dia nivavaka tamin’i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ny hazandrano Jona ka nanao hoe : Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, ka dia namaly ahy Izy ... Dia hoy izaho : Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany. Jona 2:2-5

 

Vavaka isan-karazany (5)

Jona: hiakam-pahoriana

Nirahin’Andriamanitra ny mpaminany Jona mba hitondra hafatra ho an’ny mponina tao Ninive. Tsy nahafaly azy izany, satria zavatra tsy mahafinaritra no tsy maintsy hambarany amin’izy ireo. Nihevitra hitsoaka an’Andriamanitra sy ny asa nanirahana azy izy, ka nanapa-kevitra handositra sy hiondrana an-tsambo. Fa Andriamanitra kosa, Izay nikarakara an’i Jona, dia nandefa tafio-drivotra mahery. Natory i Jona ! Efa ho vaky ny sambo, ka namoha azy ireo tantsambo, efa matin’ny tahotra. Niaiky tamin’izy ireo i Jona fa izy no mahatonga izao tafio-drivotra izao, noho ny tsy fankatoavany. Nasain’i Jona natsipy tany anaty ranomasina izy, mba hitony ny tafiotra, ho azy ireo. Nony farany dia nanaiky hanao izany ihany ireo tantsambo, rehefa tsy nisy nahomby ny ezaka hafa rehetra.

Koa dia indro i Jona fa tany anaty ranomasina. Amin’ireo tantsambo, dia very izy. Nefa ve Andriamanitra hamela ny mpaminaniny ho maty an-drano ? Tsia ! Efa nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona Izy. Voaaro tamin’ny fomba mahatalanjona i Jona, ary telo andro sy telo alina no tao an-kibon’ilay hazandrano, tsy afaka nanantena na inona na inona mety ho famonjen’olombelona. Ary tao anatin’izany fahoriany izany izy no nitaraina tamin’ “Ilay Andriamaniny”. Ilay Andriamanitra nandosirany ve hahare azy, ao amin’io toerana hafakely tsy hahitan’iza na iza azy io ? Izao no voasoratra : “Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, ka dia namaly ahy Izy”. Fantatr’i Jona fa nohenoina izy, na dia mbola tao an-tranomaiziny aza. Ary Andriamanitra nandidy ilay hazandrano handoa an’i Jona eny amin’ny tany maina. Dia iny i Jona fa hanatanteraka ny asa nanirahana azy. Ry kristiana, indraindray ny tsy fankatoavantsika an’Andriamanitra dia mitondra antsika ho ao anaty toejavatra mampamoy fo. Nefa na ao anatin’izany aza, dia matokia fa mbola afaka miantso vonjy amin’Andriamanitra ihany ary henoiny !