Alarobia 25 Septambra 2019

Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika ... nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay. 2 Timoty 1:10

... mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. Hebreo 2:15

 

Natahotra ny fahafatesana aho

« Kamboty aho, ary notezaina tany amina akany manampy ara-tsosialy. Tsy dia tena niraika tamin’ny fivavahana loatra aho, fony kely. Namonjy lamesa ihany aho indraindray, rehefa lehibebe, na tsy dia tena te hanao izany akory aza. Nahatsapa lalina tao anatiko tao ho manirery aho, no nanontany tena hoe : Nahoana aho no teraka ? na ho an’iza ? Nampatahotra ahy ny fahafatesana. Nitady ny fahamarinana aho, ary ny fahasambarana koa aza, saingy tsy dia tena nino izany akory. Nefa fantatr’Andriamanitra izany, ary nisy olona azo itokisana niresaka tamiko momba ny vavaka, nilaza tamiko fa afaka miresaka amin’Andriamanitra amin’ny fomba tsotra sy mivantana aho. Nikorotan-tsaina aho, ka niantso an’Andriamanitra.

Indray andro aho dia niady hevitra tamina olona nitana tranoheva, mivarotra Baiboly eny an-tsena. Ny iray tamin’izy ireo dia nampiseho tamiko fa ao anaty Baiboly no ahitana ny fahamarinana kristiana. Nanazava ny saiko izany, ary mba hahafantarako bebe kokoa momba izany, dia nanatona fiangonana kristiana iray aho ; nanohina ahy avy hatrany ny fifankatiavan’ny mpirahalahy hitako tao. Nisy nanazava tamiko tao, fa tokony hiaiky aho fa mpanota, ary hibebaka. Ny toriteny taorianan’izany dia nandresy lahatra ahy fa mbola andevon’ny otako aho. Takatro, ny harivan’io, fa maty teo amin’ny hazofijaliana Kristy, noho ny fahotako, ary natolotro ho an’Andriamanitra ny fiainako. Nahatsapa tena ho maivamaivana aho, toy ny hoe nisy enta-mavesatra niala avy teo an-tsoroko.

Na teo aza ireo fahasahiranana ara-piainana, dia nofenoin’i Jesosy tamin’ny fanatrehany ny banga tao anatiko. Nositranin’Andriamanitra ireo ratram-poko rehetra taloha. 19 taona izao izany fiovana izany. Tsy atahorako intsony ny aorianan’ny fahafatesana, satria Jesosy efa nanome antoka ahy momba ny fiainana mandrakizay. Miaina am-piadanana aho, miaraka amin’i Jesosy, Ilay nitia ahy. »

araka an’i Tony M.