Alakamisy 26 Septambra 2019

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Jaona 15:13

 

Nanolotra ny ainy ho an’ny rahalahiny izy

Janoary 2011 : nianjadian’oram-baratra mahery vaika ny faritanin’i Queensland, any Aostralia. Niova ho riaka mivatravatra ireo renirano, ka niteraka tondra-drano lozan-tany. Nandeha fiara i Donna Rive, niaraka tamin’ny zanany mirahalahy, Jordan sy Blake, no voahodidin’ny rano ny fiarany ka tsy afa-nihetsika intsony. Nisy olona niezaka hamonjy azy ireo. Tokony i Jordan no nosintonina voalohany avy tao anatin’ilay fiara, satria mora azo kokoa, saingy nikiry izy ny hamonjena ny zandriny aloha. Vao avotra iny mihitsy anefa i Blake, dia nisy onjan-drano hafa indray, niankapoka teo amin’ilay fiara. Nopaohin’ny onja i Jordan sy ny reniny, dia maty an-drano.

“Maty ho an’ny rahalahiny i Jordan”, hoy ny lohateny nisongadina teny amina gazety maro. Naneho mandrakariva ny fitiavany ny rahalahiny ity zatovolahy ity. Noporofoiny izany tamin’ny tsy nisalasalany nanolotra ny ainy ho azy.

Izany tantara mampihetsi-po izany ve tsy mampahatsiahy antsika an’i Jesosy Kristy, Ilay Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny (Jaona 10:11) ? Noho ny fitiavany, fitiavana tsy takatry ny saina, dia naka ny toerako teo amin’ny fitsaran’Andriamanitra Izy. Nanaiky hohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hizaka ny famaizan’Andriamanitra ireo fahotako. Tsy nahazo valiny Izy, tsy nisy tonga namonjy Azy, rehefa niantso mafy teo amin’ny hazofijaliana, hoe : “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao ?” (Salamo 22:1-2). Irery Izy, nanolotra ny ainy ho an’ireo rehetra hangataka aminy mba hovonjena.

Ny hoe mandray ny tanany, dia ny mino izay nataony ho ahy. Nanafaka ahy tamin’ny fahadisoako Kristy, nanafaka ahy tamin’i Satana, izay nangeja ahy, sy tamin’ny fahafatesana. Nanome ahy ny fiainana mandrakizay Izy, ka mifamatotra aminy ho mandrakizay aho.