Zoma 27 Septambra 2019

Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany ; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara, araka ny endrik’Izay nahary azy. Kolosiana 3:9-10

 

Fitsipi-pitondrantena tsy ara-pivavahana

Miha mahazo vahana ny tsy fahalalam-pomba ary mitombo isa ny fandikan-dalàna, ka mampitebiteby. Lazaina fa mihemotra ny fieritreretana, ka mba hanandramana hampitsahatra izany fihemorana izany, dia aroso ny hevitra hoe averina ampianarina any an-tsekoly ny fitsipi-pitondrantena tsy ara-pivavahana. Nefa ho ampy ve izany ? Ary inona moa no ho votoatin’izany, raha tsy ao akory izay rehetra ampianarin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ?

Marina fa mba hahaizan’ny olona miaina tsaratsara kokoa ao anaty fiarahamonina, dia mety hanitsy ny toetrany ihany ny fanabeazana, saingy tsy afaka hanova ny tena maha izy azy. Isika dia efa voamariky ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly : “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany” (Genesisy 8:21). “Fa avy ao anatin’ny olona, dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolompo, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana” (Marka 7:21-22). Asehon’io Teny io antsika izany ny loharanon’ny faharatsiana. Vitan’ny olona ihany, indraindray, ny manalefaka ny vokatra hita maso ateraky ny faharatsiana, amin’ny alalana fepetra ara-politika, lalàna, hetsika ara-piarahamonina na ara-pivavahana, saingy mijanona ho lo hatrany kosa ny toetra maha olona.

Manana drafitra hafa Andriamanitra. Avelany ankilabao izany toetra fahiny izany, ary omeny toetra vaovao ny olona mino fa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy ary nitsangana tamin’ny maty. Araka izany, ny mpino dia “olom-baovao [eto : fahariana vaovao] … ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy” (2 Korintiana 5:17, 18). Tsy hoe tsara kokoa noho ny hafa tsy akory ny kristiana, kanefa kosa, rehefa niova fo izy dia nandray toetra vaovao, toetra afaka miasa araka ny sitrapon’Andriamanitra.