Asabotsy 28 Septambra 2019

Mihavàna ; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo. 2 Korintiana 13:11

(Hoy Jesosy :) Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Jaona 15:4

 

Ny hoe “miara-miaina”

Ny hoe “miara-miaina” dia “rijan-kevitra miantehitra amin’ny fifamatorana anjakan’ny fandriampahalemana sy ny fifankahazoana tsara, fifamatorana ifampitondran’olona na vahoaka… amin’ny hafa”. Inona anefa no zava-misy ? Tsy fahalalam-pomba, ankohonana potika, halatra, vono olona, ady, asa fampihorohoroana… Tsy afenin’ny Baiboly ny fahasarotan’ny hoe “miara-miaina”. Tao amin’ny ankohonan’olombelona voalohany, i Kaina dia namono an’i Abela rahalahiny, satria nialona azy. Koa nametraka didy Andriamanitra, mba ho fototra iorenan’ny fiainana ao amin’ny fiarahamonina. Anisan’ny melohina ny vono olona, ny lainga, ny halatra, ny fijangajangana, ny fitsiriritana (Deoteronomia 5). Ny olona dia tsy maintsy manaja an’Andriamanitra sy manaja ny ray aman-dreniny. Misy koa lalàna nomena hiarovana ny mahantra, ny mpitondratena, ny kamboty, ny vahiny…

Izao no asain’Andriamanitra ataontsika : “Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa” (Lioka 6:31). Tsy vita anefa izany. “Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko ; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko” (Romana 7:19). Toa iraisan’ny olona rehetra ny olana apetraky ny hoe “miara-miaina”, kanefa tsy misy vahaolana afa-tsy avy amin’ny tsirairay ihany, dia izay manaiky hihaino.

Toy izao ny fiteny an-tsary nataon’i Jesosy : “Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jaona 15:5). Toy ny tsiro ao anatin’ny sampana, dia ny ain’i Kristy ato anatiko ihany no afaka mamoa voa tsara, izany hoe mitia an’Andriamanitra sy mitia ny namako. Ny tena “miara-miaina” dia tsy hoe mankatò soratra maro, fa voalohany indrindra, mino an’i Jesosy, mba hanana ny aina, ny aina vaovao ; ary manaraka izany, miaina ny ain’i Kristy noraisina tamin’ny alalan’ny finoana.