Alahady 29 Septambra 2019

Tany lavitra any no nisehoan’i Jehovah tamiko ka nanao hoe : Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. Jeremia 31:3

Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy ; Ianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko. Salamo 73:28

 

Voasarika hanatona an’Andriamanitra

« Fony 8 taona aho dia nanana namana iray kilasy tamiko, ary kristiana ny fianakaviany. Tsy mba niresaka an’Andriamanitra tao an-tranonay ; ka tena mbola kely aho dia efa nametra-panontaniana samihafa anakampo, momba Azy.

Tatỳ aoriana io namako io dia nanasa ahy hanatrika fivoriana tanora kristiana. Tao no nahafantarako hoe tonga tetỳ an-tany Andriamanitra mba hamonjy ny olona, noraisin’i Jesosy Kristy ho toy ny Azy ny fahotantsika, ka nisolo toerana antsika Izy nijaly teo amin’ny hazofijaliana, efa nitsangana tamin’ny maty ankehitriny, ary velona mandraka izao. Nanjary takatro koa fa raha mino Azy aho dia hanjary zanak’io Ray Izay tia ahy io. Niontana ny foko ! Rehefa tonga tany an-trano aho dia nandohalika, mba hanasa Azy hiditra eo amin’ny fiainako.

Nanomboka namaky ny Baiboly aho. Ary teo no nitranga ireo fahasahiranana : tena tia ahy sy nahatakatra ny nanjo ahy ny ray aman-dreniko hatramin’izay, kanjo nanjary nandrara ahy tsy hiverina intsony any amin’io vondrona mpino io sy tsy hamaky Baiboly. Nalahelo aho noho izany tsy fahatakarana ny manjo ahy izany, ka nivavaka tao am-pandriana, tamin’Ilay Raiko any an-danitra, indray hariva, hoe : « Miangavy Anao re aho, mba omeo ahy izay tianao homena ahy ! » Tampoka teo dia nahatsapa fampaherezana lehibe aho… Nanomboka teo, na amin’ny fotoana maha tretrika na amin’ny fotoan-tsarotra, dia Izy no fialofako, mpanolo-tsaina ahy, ary mpampionona ahy…

Tatỳ aoriana dia nasain’ny ray aman-dreniko nisafidy aho, na hanana fijery toy ny azy mivady, na hanaraka an’Andriamanitro ka hiala tao an-trano. Ity faharoa no nofidiko, ary tsy mora tamiko izany.

Taona maro izao no nandalo. Ankehitriny izaho sy ny vadiko dia misaotra ny Tompo manavao anay isanandro, araka ny nampanantenainy, sy mamela anay hiaina am-pifaliana eo amin’ny fanatrehany. »

araka an’i Josette