Alatsinainy 30 Septambra 2019

Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. Hebreo 11:3

... hanatona an’Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny. Asan’ny Apostoly 14:15

 

Manatrika rindrina

“Tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany” (Mpitoriteny 3:11). Lany hery foana eo ny mpikaroka sy filôzôfa, mamorona petrakevitra samihafa mba hanazavany izay nataon’Andriamanitra. Ireny rijankevitra ireny dia manandrana miverina any amin’ny lasa tany aloha indrindra, mba ho tonga eo amin’ny ampahan-tsegondra vitsivitsy taorianan’ilay “fipoahana” heverina ho niandohan’izao tontolo rehetra izao. Mahavariana anefa fa midona toy ny amina rindrina ireny rijankevitra ireny, satria tsy hay takarina izay nitranga talohan’ireo ampahan-tsegondra ireo. “Tsy hitan’ny olona (tsy hain’ny olona takarina) ... hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany” ny asan’Andriamanitra.

Amin’ny mpino kosa, tsotra dia tsotra ny Tenin’Andriamanitra ka miteny ho azy, manambara hoe : “Tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao” (andininy nomena androany). “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). “Ny tenin’i Jehovah no nanaovana ny lanitra” (Salamo 33:6). “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tanany” (Salamo 19:1). Ny Tenin’Andriamanitra dia fanambarana lehibe maneho fahendrena sy hery, kanefa tsy hisy vokany, toy ny fahalalana hafa rehetra ihany, raha ny fisainan’olombelona irery no hanandrana hanakatra izany. Fanambarana mahatalanjona mampahafantatra amintsika ireo asan’Andriamanitra, ary tsy izany ihany, fa mampahafantatra an’Andriamanitra Izy tenany mihitsy, raha raisintsika amin’ny finoana. Tsy misy rindrina intsony, raha amin’ny mpino ! Ary naneho ny tenany Andriamanitra, tsy tamin’ny fahariana fotsiny ihany, fa tamin’ny fomba mbola tsara lavitra kokoa noho izany, dia tao amin’i Jesosy Kristy Zanany, sy tamin’ny Soratra Masina, ny Baiboly.