Talata 1 Oktobra 2019

Ary Isaka nangataka tamin’i Jehovah ho an’ny vadiny, satria momba izy ; ary nohenoin’i Jehovah ny fangatahany, dia nanana anaka Rebeka vadiny. Genesisy 25:21

Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy. 1 Jaona 5:14

 

Vavaka isan-karazany (6)

Isaka : vavaka miredareda

Isaka dia zanak’i Abrahama sy Saraha. Efa ela talohan’ny nahaterahan’io zanaka lahy io Andriamanitra dia efa nampanantena an’i Abrahama fa hanana taranaka maro avy amin’i Isaka izy (Genesisy 15:5-6 ; 17:15-16). Nony lehibe Isaka dia nanambady an’i Rebeka. Kanjo tojo olana goavana ireto mpivady ireto : momba i Rebeka, izany hoe tsy nanan-janaka. Dia ahoana izany no hiafaran’ny teny fampanantenan’Andriamanitra ? Hionona amin’izao ve Isaka ? Tsia !

Satria olon’ny finoana ihany koa izy, dia nianatra nahafantatra ho an’ny tenany Ilay Andriamanitry ny rainy. Ka nitodika taminy izy. Nivavaka izy, nivavaka niredareda mihitsy aza. Ny vavaka nataony ve tsy nifanaraka tamin’ny teny fampanantenana hentitra nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama ? Tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ve izany ? Nivavaka niredareda i Isaka, ary dia nihaino azy Andriamanitra. Nandresy ny vavaka nataony. Namaly azy Andriamanitra, tamin’ny nahaterahana zanaka roa lahy, dia i Jakoba sy Esao, roapolo taona taorianan’ny nanambadiany. Avy amin’i Jakoba no hahaterahan’ny vahoaka Israely, ary atỳ aoriana, Jesosy, Ilay Mesia nampanantenaina.

Io tantara io dia mampianatra antsika fa misy fotoana iandrasan’Andriamanitra antsika haharitra amin’ny vavaka. Fantatsika fa araka ny sitrapony ny vavaka ataontsika. Nefa mizaha toetra antsika Izy, hoe hino ireo teny fampanantenany ve isika, ary mizaha toetra ny faharetantsika ihany koa. Tiany hasehontsika Azy hoe misy lanjany amintsika ny teny fampanantenany, ary itokisantsika.

Aoka àry isika tsy hisalasala hivavaka, na dia toa mifanohitra amin’izay nampanantenain’Andriamanitra antsika aza ny toejava-mitranga eo amin’ny fiainantsika. Ary mahareta mivavaka, na tsy mamaly avy hatrany Izy. Misy antony, matoa Izy mampiandry antsika. Kanefa Andriamanitra dia mitana mandrakariva ireo teny nataony !