Alarobia 2 Oktobra 2019

(Hoy Jesosy tamin’ny mpianany :) Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy ; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. Lioka 10:2

 

Ilay kamio kely maitso

Tatỳ Madagasikara no nitranga ny tantara, tamin’ny taona 2015. Nisy fiangonana tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy, nanafatra Baiboly tamin’ny Tranomboky Kristiana eto Antananarivo. Kamio kely iray miloko maitso no nofenoina Baiboly, miisa 1300. Lalana 700 km no tsy maintsy halehany mba ho tonga any amin’ny toerana hitodiany. Voatery niato imbetsaka ilay fiara, satria tena ratsy be ny lalana. Saingy mandeha tsara kosa ny finday. Koa nahalala mialoha ny mponina isan-tanàna hoe ho tonga ilay fiara maitso mitondra Baiboly. Ary isan-tanàna dia mirohotra ny olona mba hividy ilay boky sarobidy, hany ka vao nisasaka ny lalana dia lany ny Baiboly. Koa dia voatery nitodi-doha niverina ny mpamily, mba hameno indray ny fiarany !

Asehon’io ohatra io antsika fa “ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra” (2 Timoty 2:9), ary tena mila Baiboly ny olona. Aoka isika ho vonona hamaly izany hetaheta izany. Na tsy handeha hanao misionera any an-tany lavitra aza isika, dia misy fomba maro ahafahantsika mandray anjara amin’izany asa izany. Zavatra azontsika atao ny mivavaka, mba hisy hamaky ireny Baiboly ireny, ary koa ny manohana ireo mpitory Filazantsara, toy ny nataon’ny Filipiana tamin’ny apostoly Paoly (Filipiana 1:3-8). Ary aoka hotsarovantsika ihany koa fa ny saran’ireny Baiboly ireny dia tsy takatr’ireo izay mividy izany. Aoka isika tsirairay samy hihevitra izany, araka izay azontsika atao.