Alakamisy 3 Oktobra 2019

Aza mamono olona. Eksodosy 20:13

Mahita loza sy ady ao an-tanàna aho. Salamo 55:9

Jehovah ô, vonjeo amin’ny olon-dratsy aho, ary arovy amin’ny olon-dozabe. Salamo 140:1

 

Hevitra, teny, fihetsika mamono olona

Ny famonoana olona dia sazian’ny fitsarana rehetra manerana izao tontolo izao, mifanaraka amin’ny didy nomen’Andriamanitra hoe : “Aza mamono olona”.

Na izany aza anefa, ireo horonan-tsarimihetsika, na tantara mitohy, na tantara foronina, na tantara an-tsary dia manao ny famonoana olona ho toy ny anton-javatra mandeha ho azy, natao hialam-boly sy hahaliana ny miandry ny ho tohiny. Tsy tokony hipetraka ve ny fanontaniana hoe : Inona no manan-danja kokoa : ny manaitaitra ve, sa ny didin’Andriamanitra ? ny fihetsehampo sy ny fangitakitahana ve, sa ny fihevitr’Andriamanitra ?

Maro ny olona no mampahery tena momba io fanamaivamaivanana ny herisetra io, ka manao hoe : tantara foronin’ny saina fotsiny ireny, tsy misy ifandraisany amin’ny fiainana tena izy. Misy anefa vonoana olona mahatsiravina, mitovy tanteraka amin’ireny ao anaty horonan-tsary ireny. Afaka milamin-tsaina ve ny kristiana, mijery ireny tantara-na vonoana olona ireny, nefa miteny aminy Andriamanitra hoe : “Aza mamono olona” ? Tsy resahina akory aza ny voka-dratsy aterak’izany aminy… Tsy misy zavatra mifamatotra mihitsy ve eo amin’izay jeren’ny maso mbamin’izay tsapa ao anaty, sy izay atao ?

Ambaran’ny Tompo Jesosy ny fifandraisan’ireo zavatra roa loha ireo : “Ny maso no jiron’ny tena”, izany hoe izay jeren’ny masontsika dia misy fiantraikany eo amin’ny fanahintsika ; ary koa hoe : “Raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra” (Matio 6:22, 23). Izay mahita fahafinaretana amin’ny fijerena tantara mirakitra herisetra na fahavetavetana dia tandindomin-doza hahavery haingana dia haingana ireo soridalana napetrak’Andriamanitra. Aoka isika hahay handositra izay rehetra mety handoto ny fanahintsika, na boky izany, na lanonana na haino aman-jery. Aza avela hihamafy ny fieritreretantsika.