Zoma 4 Oktobra 2019

Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory. Mpitoriteny 12:1

 

Fanapahan-kevitra nahemotra

Nandeha tsara ny zavatra rehetra ho an’i Claude, tovolahy navitrika. Nidera ny heriny sy ny fahendreny ireo namany. Hoavy mamirapiratra no nisokatra teo anoloany. Fony mbola zaza izy dia nanaraka fivoriana tao amina fikambanana mampianatra Baiboly, ka nahare sy nitadidy ary nihira teny maro ao amin’ny Baiboly. Fantany fa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy, mba hamonjy ny zazalahy mpanota toa azy, tsy ho any amin’ny fanamelohana mandrakizay. Nihevitra anefa izy fa raha niaiky izany manokana tamin’Andriamanitra, dia ho naningotra azy izany. Koa nanao fialana izy hoe : Mbola manam-potoana aho, ary mbola tanora ; ny antitra no mila miresaka fivavahana.

Indray andro dia nanontany azy ny namany kristiana iray hoe :

— Raha maty ianao, Claude, dia ho aiza ?

— Ho any amin’ny helo aho… satria mbola tsy niaiky ny fahotako tamin’Andriamanitra.

— Nefa fantatrao tsara fa izany fotsiny dia ampy haha voavela heloka anao. Tsy mampatahotra anao ve izany toerana misy anao izany ?

— Tena mampatahotra ahy tokoa ka, saingy mbola manam-potoana betsaka aho, eo anoloako. Amin’izao fotoana izao mantsy dia somary hazakazaka be ihany…

— Tokony hieritreritra izany lalina ianao an !

Herintaona taorianan’izay, tany am-pitsangantsanganana nianika tendrombohitra izy no votsotra ny tady nofikiriny, ka nianjera izy, dia maty. Nanjary segondra vitsy monja ilay « fotoana betsaka » nolazainy. Segondra nampangorohoro… Nilaina ve izany mba hiantsoany amin’Andriamanitra hoe : Nanota aho, Jesosy ô, vonjeo aho ! Aiza no hisy an’i Claude ho mandrakizay ? Any am-paradisa sa any amin’ny helo ? Andriamanitra irery ihany no mahalala izany.

Fa ianao kosa, ry mpamaky malala izay mampihemotra hatrany hatrany ny fotoana handraisanao ny fanapahan-kevitra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana, miangavy anao aho : anio ianao dia mbola afaka miova fo. Amin’ny alalan’izao hafatra izao Jesosy, Izay maty ho anao, dia mbola manolo-tanana anao indray. Mibebaha ianao ary minoa Azy, mba ho voavonjy ho mandrakizay.