Asabotsy 5 Oktobra 2019

(Hoy Jesosy :) Izaho no fahazavan’izao tontolo izao. Jaona 8:12

Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. Jaona 8:58

 

Izy Aho

Izay rehetra maha Andriamanitra an’Andriamanitra dia ao amin’i Jesosy avokoa, ara-batana. Araka izany dia matetika Jesosy, ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona, no maneho ny tenany amin’ny fiteny hoe : “Izaho ihany”, “Izy Aho”, “Izaho no”, izay samy milaza fiteny iray ihany, ao amin’ny teny fototra grika. Filazam-potoana ankehitriny tsy mitsahatra izany. Andriamanitra dia tao amin’io Lehilahy io : Ilay Zanak’olona, Ilay Andriamanitra eo akaikintsika.

Hoy Jesosy tamin’ireo mpianany raiki-tahotra noho ny tafiodrivotra : “Izaho ihany ; aza matahotra” (Jaona 6:20). Dia nitony izy ireo, rehefa nandray Azy tao an-tsambokeliny.

Nampangain’ireo mpanohitra Azy Jesosy, ka namaly azy ireo hoe : “Lazaiko aminareo marina tokoa : Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (Jaona 8:58). Amin’izy ireo dia niteny ratsy an’Andriamanitra i Jesosy, satria ny fiteny hoe “Izy Aho” dia mampahatsiahy ny nanehoan’Andriamanitra ny tenany tamin’i Mosesy : “Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely : IZAHO IZAY IZY no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo” (Eksodosy 3:14). Ary nanampy Jaona hoe : “Dia naka vato hitoraka Azy ny olona” (Jaona 8:59). Ny hoe Zanak’Andriamanitra teo anivon’ny olombelona mantsy, Ilay hoe “Izaho Izay Izy” ho mandrakizay, dia tsy afaka ny tsy horaharahain’izy ireo.

Hoy koa Jesosy tamin’izy ireo : “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

Maro ny natahotra izany fanatrehan’Ilay Zanak’olona izany. Koa nolaviny Izy, ary “nahantony” teo amin’ny hazofijaliana. Tanana meloka no nanombo Ilay Zanak’Andriamanitra teo amin’ny hazo, fa “IZAHO IZAY IZY” kosa, nahafoy ny zony rehetra, ary nanaiky ny natao taminy, satria izany no sitrapon’ny Rainy. Ny fitiavany tsy misy fetra no nitarika Azy ho eo, mba hizaka ny famaizana noho ny fahotantsika. Ankehitriny Izy dia efa nitsangana tamin’ny maty, ary velona mandrakizay, ka afaka mamonjy ireo rehetra mandray Azy, ary afaka manome azy ireo ny fiadanana.