Alahady 6 Oktobra 2019

Mifaly amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny. Romana 5:11

 

Ankehitriny

Ny hoe “ankehitriny” dia teny fampiasa andavanandro, anondroana fotoana ankehitriny, na izao vanimpotoana itenenana izao. Tsy mba teny milaza fanantenana io, na teny fampanantenana ny amin’ny hoavy, fa teny milaza ny fahazoana antoka hoe efa ananana ny zavatra iray. Koa rehefa miteny ny ankizy iray hoe : “Azoko ankehitriny ilay fanomezana ho ahy”, dia efa mamihina azy io eny an-tanany izy, ary tena faly noho io fanomezana io ! Dia toy izany koa, sambatra ny kristiana tsirairay, afaka maka ho an’ny tenany zavatra telo efa azo antoka : “ankehitriny” telo ao amin’ny Baiboly.

— “Ianareo … izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo” (1 Petera 2:10). Tsy hoe miandry na manantena ny famindrampon’Andriamanitra aho. Tsia, fa efa nahazo famotsoran-keloka taminy aho, satria efa noefain’ny Zanany ny trosako. Ny hany tokony hataoko dia ny manaiky izany famindrampo tsy mendrika ho ahy izany akory. Maniratsira an’Andriamanitra aho, raha tsy mandray izany.

— “Ary amin’izany, [ankehitriny] dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1). Indrisy fa mbola manota ihany aho, ka tsy milamina ny fieritreretako. Dia hararaotin’i Satana izany, mba hamafazany fisalasalana ato an-tsaiko : tena voavonjy marina ve aho e ? Manome toky ahy io andinin-tSoratra Masina io : Marina Andriamanitra, ary efa nalaminy niaraka tamin’ny Zanany ny resaka momba io fahotana mbola nataoko io. Tsy afaka ho veriko intsony ny famonjena novidin’ny Mpamonjiko lafo dia lafo.

— “Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika” (1 Jaona 3:2). Natsangan’Andriamanitra ho zanany aho, ka antsoiny ho izany. Voary voaloton’ny ota aho, fahiny, ka tsy nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra ; fa dieny izao kosa aho dia efa nanjary afaka mikolokolo fifandraisana akaiky aminy. Koa tsy Mpitsara no hiandry ahy aorianan’ny fahafatesana, fa Ray Izay mamoha ny tranony mba hidirako.