Alatsinainy 7 Oktobra 2019

Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao ; indro, hampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao. Isaia 38:5

Ary nomeko andro hibebahany izy. Apokalypsy 2:21

 

Fe-potoana, fanemoram-potoana, fetr’andro

Alatsinainy maraina : Mpiara-miasa iray mbola tohina mafy noho ny zava-nitranga ny omaly no mitantara ny loza niseho, izay nahitany akaiky ny fahafatesana. Potika tanteraka ny fiara. Izy sy ny ankohonany kosa, tsy naninon-tsy naninona.

“Dia zara fa tsy maty izahay… Tsara vintana aho, tafavoaka tamin’izany !”

Vintana hoe ? Tsia, fa fanalavana androm-piainana no nomen’Andriamanitra. Impiry impiry moa aho no narovana tamina fomba mibaribary, na nahatalanjona mihitsy aza ? ary mbola imbetsaka lavitra, tsy nahafantatra akory hoe narovana ! Koa tsy ilaina ny mihevitra izany ho lahatra ka hiteny hoe : “Mbola tsy tonga ny androko !” Fa ny tokony hoeritreretina aza, dia ny fahatsaram-pon’Andriamanitra, Izay nanome aina antsika sy nihazona izany mandraka ankehitriny. Koa manana zo Izy hampamoaka antsika momba ireo tombon’andro mbola nomeny antsika. “Fa mahari-po aminareo Izy (Andriamanitra)” (2 Petera 3:9).

Ho an’ny mpino, izany fahari-pon’Andriamanitra izany dia fitaomana mba ho mahatoky amin’ny fanompoana Azy sy mba hiaina lalindalina kokoa ilay fanantenana kristiana. Manao ahoana ny fanararaotantsika ny fotoana omen’Andriamanitra antsika etỳ an-tany ?

Nefa mipetraka ho an’ny mpamaky rehetra mbola tsy mpino koa ny fanontaniana : Inona, hatreto no lanja mba nomeko “ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony” ? Izany fahamoram-panahin’Andriamanitra izany dia manosika ahy hibebaka (Romana 2:4). Efa nomeny fanemoram-potoana aho. Mbola mitaona ahy Izy ankehitriny mba handray ny fahasoavany : “Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” (Asan’ny Apostoly 16:31).