Talata 8 Oktobra 2019

Jabeza niantso an’Andriamanitry ny Israely hoe : Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ... ka harovanao amin’ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’Andriamanitra azy ny nangatahiny. 1 Tantara 4:10

 

Vavaka isan-karazany (7)

Jabeza : fangatahana famindrampo

Jabeza dia mitondra anarana midika hoe “fahoriana”, satria nijaly mafy ny reniny teo am-piterahana azy. Ny anarany izany dia hampahatsiaro azy, mandritra ny androm-piainany manontolo, fa eto amin’izao tontolo izao mandrakariva ny fahoriana, vokatry ny ota (jereo Genesisy 3:16). Handany ny androny hitaraina ve i Jabeza, satria mitondra izany anarana izany ? Tsia dia tsia ! Tsapany fa voamariky ny vokatry ny ota izy, ary izany dia nitarika azy hiantso Ilay Andriamanitry ny Israely amina vavaka maha te hidera. Nangatahiny Andriamanitra mba hitahy azy betsaka, na dia tsy nanana fahamendrehana haroso aza izy, hanamarinany ny fangatahany izany fitahiana izany.

Jakoba ihany koa, fahiny, dia nanao voady, saingy tamina toe-tsaina hafa mihitsy. Te "hanao ny anjarany" izy, te hanao fanekena amin’Andriamanitra, te hiady varotra momba ny hitahiany azy (Genesisy 28:20-22). Jabeza kosa dia nahatsapa fa tsy manana na inona na inona hatolotra an’Andriamanitra, ka tsy mba nihambo. Ny famindrampon’Andriamanitra no nangatahiny tsotra fotsiny. Fantany fa Andriamanitra manankarena no niresahany, Andriamanitra vonona mandrakariva ny hanome ; ary tsy diso fanantenana izy : “Ary dia nomen’Andriamanitra azy ny nangatahiny”… Faly Izy namaly ny vavaka feno fanetren-tena nataon’io olon’ny finoana io, ary tsy nitaky takalony. Tsy mba miala maina tokoa mantsy, na oviana na oviana, rehefa mangataka ny famindrampon’Andriamanitra. Ankasitrahiny ireo “izay manantena ny famindrampony” (Salamo 147:11).

Ry kristiana, tahaka an’i Jabeza dia samy voamariky ny ota avokoa isika raha vao teraka, ary tsy misy na inona na inona azontsika takiana amin’Andriamanitra. Saingy Izy dia tia manome fitahiana, malalaka sy be dia be. Sahia àry isika miantso Azy, sady tsy manadino fa mifototra mandrakariva amin’ny fahasoavany ny fitahiany antsika.