Alarobia 9 Oktobra 2019

Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:162

Ny teninao no mamelona ahy. Salamo 119:50

 

Mpitondra hafatra manan-tongotra efatra

Nanodidina ny taona 1920 no nitranga ny tantara, tany Chine, tao amina toeram-pitsaboana iadidiana misionera tao Shanghai. Nisy alika iray niditra tao an-tokotany, ary nikaroka zavatra hohanina tao anaty fanariam-pako. Sombina boky tranainy iray no voarain’ny vavany tao, ary nentiny nankany amin’ny toby miaramila tsy lavitra teo. Tazan’ireo miaramila ilay alika nitondra ny hazany. Lasa eritreritra izy ireo ka nanenjika azy, naka ireo takelaka ary namaky izany. Pejy avy tamina Baiboly amin’ny teny sinoa izany, pejy maromaro ao amin’ny Testamenta Taloha.

Tena nahaliana ireo miaramila ireo ny tantara tranainy tao amin’io ampahana Baiboly io. Hitany tao ny fomba nitantanan’Andriamanitra, efa hatry ny ela, ireo olon’ny finoana (na lahy na vavy), ary ny vahoaka Israely manontolo mihitsy aza. Diso fanantenana anefa izy ireo, satria tsy nanana afa-tsy ampaham-boky, ary nihevitra fa tao amin’ny tokotanin’ny hôpitaly teo akaiky teo no nahitan’ilay alika ireo taratasy ireo.

Nampandrosoana tao amin’ny tompon’andraikitra izy ireo, ka nanontany hoe :

— Mba afaka mahazo iray mbola tsara amin’ity boky ity ve izahay ?

— Ny Baiboly ! Afaka mahazo tokoa… Ny Tenin’Andriamanitra io, ary miantefa amintsika rehetra. Dia nomeny Baiboly maromaro izy ireo, kanefa mbola nisy hafa nangataka ihany… Te hamaky ny Tenin’Andriamanitra avokoa izy rehetra. Dia tsy maintsy nakana Baiboly fanindroany sy fanintelony.

Fotoana fohy taorianan’izay dia nihamaro ireo miaramila nanatrika ny fampianarana Soratra Masina natao tao amin’ny hôpitaly. Nisy misionera iray tonga tao mba hanazava tamin’izy ireo bebe kokoa, nandritra ny andro maromaro, ny hafatry ny Filazantsaran’Andriamanitra momba ny Zanany (Romana 1:1-3). Koa maro ny nandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy sy Tompony, teo amin’ny fiainany.