Alakamisy 10 Oktobra 2019

(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina. Jaona 5:39

Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Marka 13:31

Fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. 1 Petera 1:25

 

Ny herin’ny boky iray

Ny Baiboly, izay voadika manontolo na amin’ny ampahany amina fiteny mihoatra ny 2800 ankehitriny, dia aparitaka an-tapitrisany maro isan-taona, manerana izao tontolo izao.

Vokany tsy mba fahita andavanandro no entin’io boky io, na aiza na aiza itondrana azy. Ny Baiboly dia mampahafantatra antsika ireo fihevitr’Andriamanitra, ny fahendren’Andriamanitra, ny fitiavany. Miditra hatrao anatin’ny tenantsika ny Baiboly, manefy ny fontsika sy ny fanahintsika, ary manoro antsika ny fomba fiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Ianao ve efa nahare olona nilaza taminao hoe : “Mpisotro toaka aho taloha, henatra ho an’ny fianakaviako…, saingy nianatra matematika na zavaboary na filôzôfia, ka nanomboka tamin’izay dia niova tanteraka” ? Kanefa tsy mba iray, na folo, na zato, fa olona an’alinaliny no afaka hiteny aminao hoe : “Ory aho taloha, tsy nanam-piadanana, tsy nanana fanantenana, mandra-pahitako ny hery mahatalanjona ao amin’ny Baiboly. Nanova ny fiainako izy, afaka tamin’ireo fahadisoako aho, ary tafiditra tao am-poko sy tao an-tokantranoko ny fiadanana”. Fahagagana ataon’ny Baiboly isanandro izany.

Ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra, teny velona, miasa sy mahery ka mamokatra ao anatin’ny fontsika ny teny voasoratra ao, raha mino azy isika. Ohatra, tsy miteny amintsika izy hoe olona tsara isika, fa kosa hoe mpanota avokoa. Rehefa mino ny Baiboly isika vao hahatsapa ny fahitan’Andriamanitra ny toe-po amam-panahintsika, sy ny ilantsika famelan-keloka. Voavela heloka amin’ny fomba ahoana moa ? Raha mitozo mamaky ny Baiboly ianao, dia holazainy anao hoe ahoana, ka ho fenon’ny fiadanana omen’Andriamanitra ianao.