Zoma 11 Oktobra 2019

Jehovah no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy. Deoteronomia 4:39

Tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe : Inona no ataonao ? Daniela 4:32

 

Tsy maintsy manaraka ny toetrandro ve ?

Re indraindray ny hoe : “Miova ny fotoana, mivoatra ny toe-tsaina, tsy maintsy manaraka ny toetrandro”… Eny, kanefa hatraiza ?

Momba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, dia tsy misy olona mahakasika ny fahamasinany : “Fa masina Jehovah Andriamanitsika” (Salamo 99:9), na ny fahamarinany : “Fa marina Jehovah Andriamanitray” (Daniela 9:14). Ary tsy misy afaka mametra ny fitiavany antsika tsirairay : “Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:8). Ampahatsahivin’Andriamanitra antsika ihany koa fa tsy tompon’ny fotoana isika. Tsy misy olona mahay mampiadana na manafaingana ny ora. Inona no hatao rehefa fantatra fa Andriamanitra dia mankahala ny ratsy, ary efa antomotra, ho antsika tsirairay, ny andro tsy maintsy hihaonana aminy ? Iza no hahajanona eo anatrehan’ny fahamasinany sy ny fahamarinany ?

Afaka hivoatra hifanaraka amin’io andro io ve isika ? Tsia ! Fa tsy maintsy ovaina ny fon’ny olombelona. Ary Andriamanitra irery ihany no mahay manao izany. Tiany ny olona tsirairay, manomboka amin’izay mihaja indrindra ka hatramin’izay maharikoriko indrindra. Mba hananana fifandraisana marina aminy, dia nomeny antsika Jesosy. Ary satria ny segondra iainantsika izao no hany segondra tena antsika, dia tokony horaisintsika tsy misy hataka andro Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Omen’Andriamanitra fiainana mandrakizay ny olona mandray an’i Jesosy ho Mpamonjy. “Izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). “Endrey ! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika” (1 Jaona 3:1).