Asabotsy 12 Oktobra 2019

Fa Ahy ny biby rehetra any an’ala... Fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy... Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana ; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. Salamo 50:10-15

Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Isaia 65:24

 

Andriamanitra tsy miovaova

Tsy nilamin-tsaina i Anna indray hariva izay. Mipetraka amina trano mitokana izy. Nisy dia nalehan’ny vadiny sy ny zanany mandritra ny tontolo andro. Nisy tafiodrivotra mahery anefa, nanery azy ireo hitady fialofana ho amin’ny alina. Tsapan’i Anna manenika azy ny tahotra ny hijanona irery mandritra ny alina. Ary misy roa lahy mampiahiahy, mihaodihaody eo amin’ny manodidina… Koa nandohalika izy, ary nitalaho tamin’Andriamanitra mba hanampy azy handresy ny fahatahorany. Tsy tapitra akory ny vavaka nataony, dia injao nahare alika nivovò tany ivelany izy. Novohainy ny varavarana, ary niditra ny alikan’ny mpiara-monina akaiky azy indrindra, rakotry ny ranomandry. Avy hatrany ilay alika dia nandry teo anoloan’ny afo, ary nijery an’i Anna amina endrika maneho faharanitan-tsaina, toy ny milaza hoe : « Aza matahotra e ! mikarakara anao aho. » Dia feno fankasitrahana i Anna no lasa natory tam-pilaminana.

Nony ampitso dia nitantara ireo mpiara-monina taminy fa efa taona maro izao ny alikany no tsy mba niala mihitsy teo amin’ilay zoron-trano fatoriany rehefa alina. Fa omaly hariva kosa dia niezaka ny hitazona azy tao an-trano izy ireo nandritra ny adiny roa, ka namela azy hivoaka ihany nony farany, mba ho afaka matory… Dia iny ilay alika fa nihazakazaka avy hatrany nankany amin’ny tranon’i Anna.

Izany tantara izany ve tsy mampiseho amintsika fa na ny biby aza dia hain’Ilay Andriamanitra eken’ny zava-drehetra ampiasaina, mba hamaliany ny vavaka ataon’ny olony ?

Maneho amintsika ihany koa izany fa fantatr’Andriamanitra dieny mialoha izay ilaintsika, ary efa omaniny ny valiny, ho ana vavaka mbola tsy notononintsika akory. Efa nandritra ny adiny roa mantsy ilay alika no nihetsiketsika, mba hamelan’ny tompony azy handeha, tamin’ny fotoana nivavahan’i Anna indrindra. Tonga tamin’i Anna ny famonjena, araka ny nampanantenain’Andriamanitra hoe “amin’izay andro mahory” (Hebreo 4:16).