Alahady 13 Oktobra 2019

(Hoy Jesosy :) Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Apokalypsy 21:6

Ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. Jaona 4:14

 

Mangetaheta inona ?

Ny “hetaheta ara-panahy sy ara-tsaina” samihafa tsapan’ny olombelona dia azo oharina amin’ny hetaheta ara-batana.

Eto amin’izao tontolo feno tsy fitoviana iainantsika izao, dia samy mangetaheta fahamarinana ny tsirairay. Nanome toky Andriamanitra hoe : “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana ; fa izy no hovokisana” (Matio 5:6).

Eo amina tontolo feno fahalovana, dia maro ny mangetaheta fahadiovana. Vonona Andriamanitra hanatanteraka sy hamaly soa izany faniriana izany. “Sambatra ny madio am-po ; fa izy no hahita an’Andriamanitra” (Matio 5:8).

Eo amina fiarahamonina tia tena sy tsy mifaditra ovana, dia tsy omena fitiavana intsony ny olona. Efa namaly tanteraka izany filàna izany Andriamanitra : “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana” (Jaona 3:16).

Eto amin’izao tontolo feno tebiteby sy korontana izao, dia mitady fiadanana ny olona. Hoy Jesosy : “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” (Jaona 14:27).

Tsy ampy hampitony ireo “hetaheta” rehetra ireo ny manary dia amin’ny fahafinaretana na fialam-boly na zavatra iainana mihoa-pefy samihafa. Loharano azo antoka no ilaina. Atolotr’Andriamanitra antsika izany ; manome antsika loharano tsy mety ritra mandrakizay Izy, ao amin’i Jesosy.

Aza mandany fotoana hihazakazaka any amin’ireo loharano samihafa atolotr’izao tontolo izao. Mitodiha amin’Ilay te hamaly sy afaka mamaly izay rehetra “hetaheta”-ntsika. Manasa antsika Jesosy hoe : “Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” (Jaona 7:37).

“Ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina” (Apokalypsy 22:17).