Alahady 14 Oktobra 2019

Ary Jesosy namaly azy hoe : Inona no tianao hataoko aminao ? Ary hoy ilay jamba taminy : Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko. Ary hoy Jesosy taminy : Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony, ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dàlana izy. Marka 10:51-52

 

Manomboka mihazo ny lalana

Ny atao hoe kristiana, voalohany indrindra ary alohan’ny zava-drehetra, dia hoe nifanena tamin’i Kristy. Endrika tena samy hafa no isehoan’io fifanenana voalohany io, ho an’ny olona tsirairay. Ho an’ny iray, dia tao anaty toejavatra mampivarahontsana ; ho an’ny iray hafa indray, dia vokatry ny fifaneraserana tamina mpino, na koa fiantraika-na andinin-tSoratra Masina iray ao amin’ny Baiboly, izay nitarika azy ho eo amin’ny Tompo. Ny olona sasany dia mahatsiaro tsara ny fotoana ninoany, nahatsapany fiadanana tao amin’ny fanahiny. Ho an’ny hafa kosa, dia niseho tsikelikely tao anatiny ny fahazavana. Izay rehetra fifanenana tamin’i Jesosy anefa dia misy zavatra iray ifandraisany avokoa, dia hoe : Andriamanitra no nanomana azy ireny.

Manomboka hatreo ny mpino dia mihazo ny lalana ho amin’ny dingana samihafa eo amin’ny fiainany miaraka amin’Andriamanitra. Hitantsika izany ao amin’ny Baiboly manontolo : nandeha i Abrahama noho ny tenin’ny Tompo (Genesisy 12:4 ; Hebreo 11:8), toy ilay jamba resahina ao amin’ny andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany. Io fanapahan-kevitra io dia marika fiovana ao anaty, vokatry ny Fanahin’Andriamanitra.

Taomin’i Jesosy isika tsirairay mba hanjary mpianany sy hiara-mandeha aminy. Izy mihitsy no maneho ny tenany ho ilay lalana mankany amin’ny Ray (Jaona 14:6). Ny mpino, izany, dia tsy olona mandeha samirery amin’ny saim-pantany fotsiny intsony, ka hoe tsy misy dikany ny fiainany. Manjary mpandeha mitodika any amin’ny tanjona hotratrarina izy, misy mitarika eo amin’ny dingana tsirairay ataony, ho any an-tranon’ny Ray, manaraka ny Tompo Jesosy, Ilay Mpiandry azy.